Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM

(Marihina fa tamin'ny 29 Martsa 2010 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)

dotcom

Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM  mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani  amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy, mialoha ny fihaonamben'ny Media Sosialy ho amin'ny Fanovana Ara-tsosialy izay hatao ny 9 sy 10 Aprily ao Tbilisi, Zeorzia.

Ny DOTCOM:  namoaka lahatsarin'ny fahatongavany sy ny fihaonany tamin'ny mpandray anjaran'ny tetikasa tao Azerbaijan ny bilaogy Iraisam-pirenena PH. Amin'ny faran'ny herinandro, hitsidika an'i Armenia mandalo an'i Zeorzia ihany koa ny mpandray anjara Amerikana alohan'ny hiverenany any amin'ny fihaonambe ao Tbilisi.

Tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taona (2009), nanao antsafa niaraka tamin'i Elizabeth Métraux Talen'ny Fandaharanasa DOTCOM ny Global Voices Online momba ny fandraisana andraikitra hamory ireo tanora avy any Etazonia miaraka amin'ireo avy any amin'ny firenena roa mbola ao anatin'ny fanjakana miady amin'ny fiatrehana ny olana ara-tsosialy toy ny tontolo iainana, ny miralenta sy ny zon'olombelona manerantany sy ny ao an-tokantrano ihany koa.

Marihina fa taorian'ny tatitra momba ny anjara toeran'ny media sosialy amin'ny famadihana ny ady  ( Fizarana I , Fizarana II , Fizarana III ) tamin'ny herinandro lasa nataon'ny BBC Azeri ,niara-niasa indray tamin'ny bilaogeran'ny Flying Carpets and Broken Pipelines  sy ny mpandalin'ny faritra i Arzu Geybullayeva, toniandahatsoratry ny Global Voices Online ao Kaokazia rehefa niara-nanatrika ny fihaonambe izy ireo.

Mandra-pahatongan'izany, araho eto ny dian'ny DOTCOM.

SMSC Conf Banner

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.