· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2018

Ny fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hillary Clinton tany Ekoadaoro 

  31 Desambra 2018

Nitsidika an'i Ekoadaoro ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny 8 Jona 2010, izay nihaonany tamin'ny filoha Rafael Correa mba hifanakalo hevitra momba ny olana samihafa. Ireo mpisera Twitter dia naneho hevitra momba ny fitsidihan'i Clinton, izay nahitana taratra ny andiana fihetseham-po manoloana an'i Etazonia sy ny fifandraisany amin'i Ekoadaoro.

Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba

  28 Desambra 2018

Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.