Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2022
Fangatahan'ny Uyghur iray mpanao gazety : atsaharo ny fijaliana efa am-polo taona maro niainan'ny fianakaviako
Miangavy ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny Firenena Mikambana aho mba hanampy ahy hahazo vaovao hamantarana raha mbola velona ireo havako iraika ambinifolo ireo, ary raha izay no izy, mba hahafantarako hoe aiza no misy azy ireo, ahoana no nanasaziana azy ireo, ary inona no antony
Rosia, Shina, Afghanistan ary ireo firenena hafa ao Azia Afovoany : ny fifindra-monina sy ny asa an-terivozona-fanandevozana ara-nofo
Heverina ho singa manamora ny vondron'olona marefo ho eo am-pelatanan'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny krizy ara-toekarena, ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny tsy fisian'ny asa.
Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley
Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalambe tao Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty ireo mpikatroka demaokratika efatra.
Niverina ny diam-pireharehana Prague rehefa naaton'ny valan'aretina nandritra ny roa taona: Andra-tsary
Heverina ho anisan'ny goavana indrindra tao Eoropa Afovoany, niverina an-dalambe ny Reharehan'i Prague tamin'ny 13 Aogositra rehefa niato roa taona, ka nahazo olona enina alina teo ho eo.
Mitetika hanao ho mahazatra ny fanazarantena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan ve i Shina?
Mety mitetika hanao izay ho toy ny ara-dalàna sy hahazatra amin'ny sarinady ao andilan-dranomasin'i Taiwan i Shina. Fa inona moa no dikan'izany amin'ny hoavin'i Taiwan sy ny fifandraisana ao amin'ny faritra?
Ahoana ny setriny ataon'ny Taiwaney amin'ny fandrahonana ara-miaramila ataon'i Shina taorian'ny fitsidihan'ny filohan'ny antenimieran'i Etazonia?
Raha efa mitsinjo ny valibontan'i Beijing ny ankamaroan'ny Taiwaney, dia ny fiainana efa mahazatra azy ihany no amaliany ny krizy.
Fifanarahana momba ny angovo eo amin'i Azerbaijan sy ny Vondrona Eoropeana: Angovo aloha vao zon'olombelona
Nanasonia Memorandum of Understanding (MoU) tao an-drenivohitra Baku i Azerbaijan sy ny Vondrona Eoropeana, izay mamaritra ny drafitra ho an'ny fifanarahana momba ny angovo stratejika. Misalasala manoloana ny fifanarahana vaovao ireo mpitsikera.
Nihiaka hoe ‘Vladimir Putin’ ireo Tiorka mpankafy baolina kitra nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'i Kyiv
Nihirahira hoe "Vladimir Putin" ireo mpakafy baolina kitra Tiorka nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipa Okrainiana Dynamo Kyiv, ho fanondroana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina amin’izao fotoana izao. Nanaraka izany ny tantara ratsy iraisam-pirenena.