· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2011

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia nahatonga hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao. Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Mizara ny zavatra niainany ao amin'ny Twitter nandritra ny fanafihana tahaka izao ireo Palestiniana.

Tontolo Arabo Mamaly An'i Gingrich: “Raha Vahoaka Noforomporonina Fotsiny Ny Palestiniana, Ny Amerikana Izany …”

Vahoaka "noforomporonina" ny Palestiniana, izay te-hamotika an'i Israely, hoy ny mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena Amerikana Newt Gingrich. Ny fanamarihany, tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny fantsom-pahitalavitra Jiosy, dia niteraka hatezerana sy rikoriko teo amin'ireo mpiondana aterineto manerana ny tontolo Arabo.

Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana

  06 Desambra 2011

Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana.

Shina sy Makedonia: Tezitra Ny Mpiserasera Sinoa Noho Ny Fanomezana Fiara Mpitatitra Mpianatra

  02 Desambra 2011

Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpiserasera Sinoa ny vaovao momba ilay fanomezan'ny governemananta Sinoa Fiara mpitatitra mpianatra miisa 23 ho an'ny Repoblikan'i Makedonia tamin'ny 25  Novambra 2011 lasa teo, satria mbola ao anatin'ny fisaonana ny sinoa noho ny fahatesana ankizy miisa 19 tamin’ ilay lozam-pifamoivozana nitranga tao amin'ny faritany Gansu ny 16...

Iran: Voaroba ny Ambasady Britanika

Ny 29 Novambra 2011, olona tokony ho arivo eo ho eo no nanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Masoivoho Britanika tao Teheran rehefa nanapaka ny fifandraisana ara-bola tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary i Angletera. Nilamina ny fihetsiketsehana, nialoha ny nanakorontanan'ny sasany ny fanorenana.