Egypta: Ho Arefotra Ilay Sambo Nalaina An-keriny

(Marihina fa tamin'ny 30 Janoary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mbola mampahatsiahy antsika indray  ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao i Zeinobia herinandro vitsivitsy taorian'ny fanambarana ny fijirihan'ny jiolahin-tsambon'i Somalia ny sambo Egyptianina .

Amin'ny lafiny iray, araka ny fianakavian'ny ekipan'ireo tantsambo , nitsahatra ny fifampiraharahana momba ny vidin'ny takalon'aina satria tsy nety nampidina ny saran'izany ireo ny jiolahin-tsambo sady nandà ny handoa mihoatra ny 100.000 $  ihany koa ny tompon'ny sambo, ny orinasa “Blue Marine”. Ankoatra izany, efa tapitra herinandro lasa izay ny sakafo tao anatiny ho an'ireo tantsambo ary tsy misy intsony ny fikarakarana ara-pitsaboana ho an'ilay ekipan'ny sambo, izay notifirin'ireo jiolahin-tsambo teo amin'ny tongony .

Etsy andanin'izany, efa nanambara ireo jiolahin-tsambo fa ho arefotr'izy ireo ny sambo raha toa ka tsy mivaly hatramin'ny asabotsy ny fitakian'izy ireo.

The pirates already announced tomorrow Saturday as a deadline ,if their demands are not met , they will blow the ship !! Yes in less than 48 hours the Blue star ship will be bombed and its crew will be killed if the demands of the Somali pirates are not met
Yesterday Thursday the families of the crew protested in front of the Blue Marine Company in the middle of Alexandria over the news that the company will abandon the ship

Efa nanambara ny jiolahin-tsambo fa ho arefotra ny sambo rahampitso Asabotsy izay fe-potoana nomeny farany raha toa ka tsy mivaly ny fitakian'izy ireo !! Eny afaka 48 ora latsaka dia hapoaka ny Blue Star ary ho faty ireo tantsambo raha tsy mivaly ny fitakian'ireo Somali jiolahintsambo.
Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Orinasa Blue Marine omaly Alakamisy ny fianakavian'ny tantsambo tao Aleksandria noho ny vaovao fa ilaozan'ny orinasa ny sambo.

Nanontany momba ny andraikitry ny  Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny tompon'andraikitra amin'ny raharaha ihany koa izy,:

There 28 crew members on the board of the Blue star
I do not know where the hell is the Foreign Ministry?? Where are our army and our navy?? where are our naval special forces ??
I pray to God that the crew members return back to their families safe and the company gives the pirates the ransom they want even if they have to sell the company itself , we are talking about people , if those 28 crew members are killed their blood will be distributed equally between Blue Marine Co., Foreign Ministry ,the Egyptian Navy and any party who can help them in this crisis and did not do it.

Misy tantsambo miisa 28 ao anatin'ny Blue star
Tsy fantatro mihitsy hoe aiza ary ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny amin'izao ?? Aiza ny tafika sy ny tafika an-dranomasina ?? Aiza ny tafika an-dranomasina manokana??
Mangataka amin'Andriamanitra aho mba hiverina soa aman-tsara any amin'ny fianakaviany ny ekipan'ny sambo ary hanome ny jiolahin-tsambo ny vidin'ny takalon'aina izay tadiavin'izy ireo ny orinasa eny fa na dia tsy maintsy hivarotra ny orinasa aza izy ireo, miresaka momba ny olona isika, ​​raha toa ka hovonoina ireo ekipan'ny tantsambo miisa 28 ireo dia [hotakiana] amin'ny Orinasa Blue Marine, ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ny Tafika An-dranomasina Egyptiana sy ny antoko rehetra izay afaka manampy azy ireo amin'ity krizy ity kanefa tsy manao izany ihany koa ny ran'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.