Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Mey, 2009

31 Mey 2009

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

21 Mey 2009

Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby

Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho  fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA). Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby sy mpiandraikitra Maraokana, na...

20 Mey 2009

Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC

Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete. Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny...

Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto

Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia...

12 Mey 2009

Iran: Hetsiky ny mpitoraka blaogy 1000 isa ho fanohanana an'i Mousavi ho filoham-pirenena

Ny mpanohana ireo roalahy ‘reformista’ mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha Mir Hussein Mousavi  sy mpitondra tenin'ny parlemanta teo aloha, Mehdi Karroubi dia mampiasa ny aterineto,  tafiditra anatin'izany ny blaogy sy ny Facebook, mba hampiakarana ny vintan'izy ireo ho isan'izay voafantina ho mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ataon'ny...

07 Mey 2009

Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana

Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana,...

06 Mey 2009

Siria : Fanehoan-kevitra taorian'ny fanapàhana (=didy) navoakan'ny Tribonaly manokana momba an'i Libanona

Ny Tribonaly manokan'ny Firenena Mikambana momba an'i Libanona dia nandidy androany ny hamoàhana malalaka ireo olona efatra voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana ny Praiminisitra Libane teo aloha Rafiq Hariri, tamin'ny 14 febroary 2005, tao Beyrouth. Siria no notondroin'ny rehetra ho tompon'antoka, izay nitarika faharisarisan'ny fifandraisany tamin'ny Tandrefana, tonga hatrany amin'ny fampodian'ny...

03 Mey 2009

Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra

Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy hita...