Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2019

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Novambra, 2019

29 Novambra 2019

Niteraka fanoherana ny foaran'ny fitaovam-piadiana Japoney

Nitsena mpanao fihetsiketsehana ao an-toerana farafahakeliny miisa 400 ny varotra fampisehoana iraisampirenena momba ny fitaovam-piadiana ao Japana mampivoitra ny lalan-tery idiran'ny governemanta japoney sy ny indostiriany manoloana ny lova mpandala ny fandriampahalemana taorian'ny ady [lehibe].

Noraràna tsy hiditra tamin'ny resaka nataon'i Poutine tao Budapest ny sasany tamin'ireo vahiny mpanao gazety

Ity tantara ity dia navoaka tao amin'ny Atlatszo, sampanasa iray mpanadihady an'ny asa fanaovangazety hongroà, .Ny dika omena eto ambany dia tafiditra ao anatin'ny fiarahana miasa amin'ny Global Voices. Toy ireo  Hongroà mpanao gazety mpanakiana ny governemanta, ankehitriny indray koa dia ireo vahiny mpanao gazety miasa ao amin'ny firenena no...

26 Novambra 2019

Fomba fijerin'ny Kashmirita iray manokana teraka tany Nepal ny krizy any Kashmir

Nivoaka tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir i Aquib ary mipetraka sy manao raharaham-barotra ao Nepal. Niresaka tamin'i Aquib ny Global Voices Lingua Nepaley mba hanotany ny heviny momba ny antony nanafoanan'i India ny Adinin-dalàna faha 370 izay manome ny zo manokana ho an'ireo Kashmiris.

23 Novambra 2019

Israely : Ny savorovoro tao amin'ny seranampiaramanidina sy ny “Carlamania” nandritra ny fitsidihan'i Nicolas Sarkozy

Nirefotra ny poa-basy raha niala ny seranampiaramanidin'i Ben Gourion tao Israely ny Filoha Sarkozy. Araka ny fanadihadiana maika natao dia nitifi-tena ny iray tamin'ireo mpiambina azy, angamba namono tena. Kanefa araka ireo tatitra nataon'ny haino amanjery hafa dia mety fanina noho ny hafanana izy, ka nanapoaka tsy nahy ny basiny."

Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 momba ny fibodoan'i Japàna an'i Shina

Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 manome topimaso momba ny fibodoan'i Japàna ny tao avaratra atsinanan'i Shina

21 Novambra 2019

Navotsotra ihany ilay mpitsoa-ponenana Iraniana-Kiorda Behrouz Boochani

"Vao avy tonga aty Nouvelle-Zèlande aho. Tena faly nahazo fahafahana enin-taona aty aoriana."

20 Novambra 2019

Mamaly ny lehiben'ny tafika Thailandey ilay mpikatroka Hong Kong Joshua Wong

Manome vaovao farany momba ny fihetsiketsehana any Hong Kong sy mamaly ireo fiampangana nataon'ny jeneraly Apirat Kongsompong, lehiben'ny tafika Thailandey i Joshua Wong.

19 Novambra 2019

Nandao an'i Arabia Saodita mitondra tantara manafintohina marobe ireo Bangladeshita mpiasa an-trano mpifindra monina

Vehivavy mpiasa an-trano 900 no niverina nody avy any Arabia Saodita tamin'ny taona 2019, sady miampanga ny mpampiasa azy ireo noho ny fanararaotana ara-batana sy ara-nofo ary efa 100 mahery no namoy ny ainy.

18 Novambra 2019

Kiobà sy Etazonia : latsabato hanaovana fahirano

... tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, nofidian'ny maro an'isa ny fanaisorana ny fahirano ara-toekarena napetrak'i Etazonia efa ho dimy amby efapolo taona atao amin'i Kiobà ambany fitarihan'ireo kaominista. (…) Ary mba manao ahoana izao ireo FIFIDIANANA MALALAKA sy ny DEMAOKRASIA ?

17 Novambra 2019

Karaiba-Etazonia : Fa mba aiza no misy an'i Allen Stanford ?

Hatraiza ireo mpanao politika any amintsika no ho voasaringotra anatin'ireny andrim-panjakana marary ireny ary indrindra indrindra, iza no mitantana azy ireny ? Raha tena misy tokoa ny fifandraisany amin'ireo mpanao politika any amintsika, hatraiza no fiantraikan'izany amin'ireo fepetra sy fanapahankevitra politika ?