Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2014

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2014

28 Febroary 2014

Lozam-Piaramanidina Tany Nepal : Maty Daholo ireo Mpandeha 18

Betsaka ny lozam-piaramanidina ao amin'ny fitaterana an'habakabaka Nepale tao anatin'ny taona vitsivitsy, fianjerana fiaramanidina mahatsiravina roa isan-taona no hita nanomboka tamin'ny 2010 ka hatramin'ny 2012.

23 Febroary 2014

Araho Mivantana Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan Ao Okraina

Niafara tamin'ny famoizan'ain'olona goavana ny fifandonana teo amin'ny olom-pirenana an'hetsiny sy ny herim-pamoretan'ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana tao Okraina ny harivan'ny 18 Febroary.

19 Febroary 2014

Sodàna: Bilaogera Mbola Voatàna Hatrany Noho Ny Fanakianana Filoham-Pirenena

Nosamborina tao amin'ny velakevitra iray ho an'ny mpanao gazety i Tajeldin Arja tamin'ny Desambra, taorian'ny nanakianany ny filoha Sodane sy Tsadiana noho ny fihetsik'izy ireo manodidina ny fifandonana any Darfur.

17 Febroary 2014

Ra eny an-dRanomandry, Fahatezerana eny amin'ny Aterineto

Akon'ny RuNet

Tsy lavitra mihitsy ny Seho an-tsehatra rehefa mihaona ambony ranomandry ny ekipam-pirenena amin'ny hockey Rosiana sy Etazonia.

11 Febroary 2014

Mitaky Ny Hampitsaharana Fifampiraharahana Ara-barotra Feno Kolikoly Sy Tsy Ara-drariny Ny Yemenita

Niverina nidina an-dalambe ireo Yemenita mba hitaky ny harem-pireneny.

10 Febroary 2014

Sakanan'ny Sazy Amerikana Ny Fianarana Antserasera “Coursera” Ao Syria, Iran ary Kiobà (Vaovao Farany)

Niharan'ny sazy Amerikana, tsy afaka niditra tao amin'ny Coursera, sehatra fianarana antserasera intsony ireo mpianatra avy ao Syria, Sodàna, Iran ary Kiobà

05 Febroary 2014

Mampihataka Ireo Vondrom-pivavahana Ho Ivelan'ny Lalàna Ny Mpanjaka Saodiana

Namoaka didi-hitsivolana izay manery sazy an-tranomaizina hoan'ireo Saodiana miady ivelan'ny firenena sy hoan'ireo "mpikambana amin'ny vondrom-pivavahana sy mahery fihetsika" ny mpanjakan'i Arabia Saodita Abdallah. Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tao amin'ny tambajotra fampahalalam-baovao an'olo-tsotra izany didim-panjakana izany

03 Febroary 2014

Olon'ny Tantara An-Tsary ‘Meena’ Nanova Ny Fomba Fijery ny Zazavavy Tao Azia Atsimo

"Hatramin'ny nanombohany 14 taona lasa izay dia nasehony tamin'ny zazavavy an-tapitrisany maro ny zavatra azo tontosaina hatramin'ny farany. "