Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2011
Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Fihetsiketsehana Tany Tripoli

Raha ampitahaina tamin'ny volana Aprily 2011, rehefa nandinika voalohany ny fihetsika Rosiana tamin'ilay disadisa ny Global Voices, hita mizara kokoa ny hevitra ankehitriny; nizara ho vondrona roa miavaka, mpanohana sy mpanohitra an'i Kolonely Kaddhafi, ireo mpitoraka blaogy. Manadihady i Alexey Sidorenko.
Georgia: Nampiasain'ireo Mpilatsaka Ho Fidiana Ho Filoham-pirenena Ny Haino Aman-jerim-bahoaka Any Amin'ny Faritra Misintaka
Mpilatsaka ho fidiana telo no nifaninana ho filoham-pirenena tamin'ity herinandro ity tany Abkhazia, faritra iray misaraka amin'i Georgia izay Rosia, Nicaragua, Venezuela, Nauru, ary Vanuatu ihany no nankatoa azy.Ny Komisiona Foibe Misahana ny Fifidianana dia nanombatombana ny taham-pahavitrihana ho 70 isan-jato ho an'ny latsabaton'ny faha 26 Aogositra.
Palestina: Fiara Mpitrongy Tany Israeliana Nahazo Tsiny Noho Ny Fanapahany Ny Fifandraisan-davitra ao Gaza
Nipoitra teto amin'ny aterineto ny vaovao mikasika ny fahanginana tanteraky ny fifandraisan-davitra tao Gaza. Teo amin'ny Twitter, nanome tsiny ny fiara mpitrongy tany Israeliana noho ilay fahatapahana ireo mpampiasa twitter. Ireto ny sasany tamin'ireo resadresaka.
Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh
Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh
Kenya: Tokony Hanaisotra ny kaontin'i John Mwau ny Facebook
Bilaogera Kenyana Daudi Were no nametraka fanontaniana mahaliana raha toa ka afaka mampihatra ny Dina Kingpin manoloana ny Facebook izay toa hita fa manao afera miaraka amina Kenyana, John Harun Mwau, voatondro ho...