Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2022
Mandrangaranga adim-baovao any Amerika Latina i Rosia
Mba hametrahany ireo fitantaràny manohitra ny Tandrefana dia araraotin'ireo media rosiàna ny hetahetan'i Amerika Latina hiala ambany vahohon'i Etazonia
Ahariharin'ity lalao an-tambajotra ity ny loza ateraky ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.
"Ampio ireo mponina any amin'ny faran'ny lalina indrindra mba hiaro ny toeram-ponenan-dry zareo. Lalaovy ny TAPITRA NY LALAO ary fantaro ireo ambana goavana mifandray amin'ny fitrandrahana harena anaty ranomasina lalina."
Faritra iray mikorontana, nopotehan'ny governemanta Tajik tao anatin'ny olana ara-toekarena lalina sy fandiampahalemana
Saika niompana amin'ny fampiasana hery sy fanerena ny fihetsiky ny governemanta manoloana ireo hetsipanoherana sy korontana niverimberina tao amin'ny faritra, tsy niraharaha tanteraka izay fifanakalozan-kevitra na fifandeferana.
Fahatakarana ny voka-dratsin'ny fampielezankevitra Rosiàna manohitra ny OTAN sy Kosovo
"Tena manimba sy mampidi-doza ny fiparitahan'ity vaovao diso ity any amin'ireo firenena izay tsy dia misy fahalalana firy mikasika ny raharahan'i Kôsôvô."
Tati-baovao: Fandrafetana ny Hetsika “Fehikibo sy Làlana” – ilay Làlana vaovaon'ny Lasoà – an'i Shina
Diniho ny fahombiazana sy ny vokatry ny ezak'i Shina hampiroborobo ny hetsika Làlan'ny Lasoà amin'ny alalan'ireo fitantarana, ary vakio ny tatitra feno novokarin'ny Civic Media Observatory ato aminay.
Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022
Telo herinandro mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindra monina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy fotodrafitrasa hafa.
Ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo, nataon'ny fianakaviana Gupta: lesona momba ny hery pôlitika miasa mangina
Niteraka ampahany manankarena tafahoatra ao anatin'ny fiarahamonina ny fitomboan'ny tsy fitoviana sy ny harena tsy voafehy. Miaraka amin'io vola io ny hery miasa mangina (dindo) mety hitera-doza ho an'ny fahitsian'ny pôlitika anatiny sy ny fiandrianam-pirenena.
Basy sy Kung Fu: Samy manampy hampitao fiadiana ny polisin'ny Nosy Solomona na i Aostralia na i Shina
"Amin'izao vanim-potoanan'ny fifaninanana ara-jeopolitika matanjaka dia matanjaka izao, mety hiafara amin'ny zava-mampidi-doza io fanomezana fitaovam-piadiana ny polisy io rahatrizay."
Mihilana amin'ny fanasazian'ny rosiana sy maneso ilay fandraràna azy tsy hivezivezy i Margaret Atwood, mpanoratra ny ‘Handmaid's Tale’
Nanatevin-daharana an’ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood Jim Carrey tamin'ny fanesoana ny fandrarana ny fivezivezena mankany Rosia nampiharina tamin'izy ireo tamin'ny andian-tsazy farany nataon’i Kremlin ho an'ny Kanadiana ilay Kanadiana poeta sady mpanoratra Margaret Atwood