Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Janoary, 2022
Mpikamban'ny kaongresy amerikàna mahamay noho ny fiampangàna amin'ny resaka kolikoly
'Grand Jury' federaly iray nanomboka namoaka fampiantsoana ho eny anatrehan'ny fitsaràna sy fikarohana antontan-taratasy eny anivon'ireo orinasa sy fikambanam-piarovana amerikana, izay maro no misy fifandraisana amin'i Azerbaidjàna, firenena iray tao anatin'ny Firaisana Sovietika taloha
Nilaza fa nijirika ny rafitra lalamby ireo mpikatroka anjotra Belarosiana mba hanoherana ny hetsiky ny miaramila Rosiana
Nilaza ny vondrona mpijirika fa vonona ny hanolotra ny fanalahidin'ny fanafenana izy raha toa ka avotsotra ireo gadra politika Belarosiana 50 izay miharatsy ny fahasalamany ary "sakanana" ny fisian'ny tafika Rosiana ao amin'ny firenena.
Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby
Nanakatona ny fifanenjehana ara-politika ifanaovan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana any Wisconsin ny fividianan'ny Fanjakan'i Lagos ao Nizeria ny lamasinina tsy nampiasaina nandritra ny folo taona.
Mitaky fepetran'ny COVID-19 henjana kokoa ho an'ny miaramila Amerikana i Japana
Ho an'ny sasany, tsy ampy hiatrehana ny fandrahonan’ny COVID-19 amin'izao fotoana ny "mambo" ao Japana izay heverin’izy ireo fa ny tafika Amerikana no nahatonga izany.
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.