Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jolay, 2011

30 Jolay 2011

Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

Akon'ny RuNet

"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i...

22 Jolay 2011

Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan

Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Mo Elzubeir no nifofotra voalohany tamin'ny fampielezana horonantsary, hafatra fandefasam-peo sy Twiter #lovefromsudan,  ary navitrika aoka izany tamin'ny fampandrosoana...

20 Jolay 2011

Indonezia: nahatezitra ny olona ny fahafatesan'ilay mpiasa an-trano tany Arabia Saodita

Naneho ny heviny am-pahavitrihana ireo Indoneziana raha nahare fa notapahan-doha tany Arabia Saodita tamin'ny volana lasa teo i Ruyati, 54 taona, mpiasa mila ravinahitra teratany avy any Java andrefana. Voaheloka ho faty izy satria namono ny mpampiasa azy izay, araka ny filazany, dia nanararaotra azy. Ankoatra ny sazy fanamelohana noraisin'ny fitondrana...

11 Jolay 2011

Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy

Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .

10 Jolay 2011

Frantsa-Senegal: Nosamborin'ny Polisy Frantsay Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mankasitraka An'i Wade

Manomana ny fifidianana ny ho filoham-pireneny i Senegal ny Febroary 2012. Valo volana tsy hahatongavan'ny latsabato, ny fiarahamonim-pirenena dia efa manohitra sahady ireo zavatra kotrehan'ny filoha, Abdoulaye Wade izay efa 85 taona, mba hiverenana eo amin'ny fitondrana indray.