Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Avrily, 2022
Niova ny fijerin'izao tontolo izao an'i Okraina’ hoy ny mpihira avy amin'ilay tarika malaza Okean Elzy
Niresaka teo amin'ny Global Voices ny mpihira Svyatoslav Vakarchuk avy amin'ny tarika malaza Okraniana Okean Elzy, mikasika ireo olo-malaza Rosiana, ny faniriany hanao fampisehoana mandritra ireo krizy sy ny hoe nahoana no tsy azo atao ny manoratra mozika.
Fijerin'ny olona ao Azia Afovoany: Mandeha an-tany tsy fantany ny ONG kirkizy iray mpisava làlana
Raha miombona tantara sy sisintany ny firenena dimy ao Azia Afovoany, zara raha mihevitra kosa izy ireo hoe miaina anaty faritra iray. Misy ONG kirkizy iray manandrana mandalina azy ireo ho toy ny vondrona iray tsy mivaky.
Mafotaka ny adin'ny media ao Kiobà momba ny adin'i Rosia sy Okraina
"Ao anatin'ny ady ideolojika ataony, sehatra iray manana laharam-pahamehana ambony be ho an'ny fitondràna ao Kiobà ny tanora"
Tohin'ny fananiham-bohitra tao Okraina, mamaky ady amin'ireo olompireneny i Rosia
Manoloana ireo sazy mavaivay sy ny fanenjehana ara-tsôsialy, vao mainka mampidi-doza ny maneho hevitra manohitra ny fitantaràna ofisialy an'ny Governemanta.
Ny misterin'ny niandohan'ny anaran'ny tanàna Armenia tao Kôlômbia
Fanomezam-boninahitra ho an'ny vahoaka Armeniàna ve no misy sa resaka tsy loa-body ara-pivavahana? Mitohy miady hevitra mikasika ilay resaka ireo mpahay tantara.
Ny fiantraikan'ny ady ao Okraina amin'ny toetrandro ao Nepal
Azo heverina hanalavitra an'ireo tanjona ara-toetrandro ao Nepal mandritry ny taona vitsivitsy ho avy ny krizy ao Okraina; na izany aza, mety ho tombony io hanafoanana miandalana ireo solika fôsily
#StandWithUkraine: Miantso ny hamaranana ny ‘daroka rosiana’ ny mpanao fihetsiketsehana ao Makedonia Avaratra
Mihetsika manohitra ny fanafihana rosiana ao Okraina eo anoloan'ny masoivoho rosiana ny Okrainiana monina ao an-drenivohitra Makedoniana Avaratra ao Skopje sy ny olom-pirenena ao an-toerana tamin'ny 25 Febroary.
Ho avy ny tontolo tsy misy Potinina, fa afa-miaina anaty tontolo tsy misy Rosia ve isika?
Mety ho zavatra mety amin'izao fotoana izao ny fanapotehana an'i Potinina sy ny manodidina azy, saingy ahoana no ahafahana mametraka fifampiresahana amin'ny mpandimby azy hisoroana amin'ny ady hoavy?
Navalny, mpitarika ny Rosiana mpanohitra, miantso ny hanohizana ny fanoherana rehefa nahazo sazy an-tranomaizina 9 taona
Tamin'ny 22 martsa, voasazy higadra 9 taona any amin'ny fitondram-pananjahantany henjana i Navalny, izay hanokana-monina azy tsy hifandray amin'ny voafonja hafa sy ny any ivelany.