Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2018
Japana: Mahazo Fanohanana Avy Amin'ny Tanàna Japoney i Obama
Mitombo ny fientanam-po anatinà tanànan'ny mpanjono matoritory ao amorontsirak'i Japana. Nahazo jery tsy mahazatra ny tanànan'i Obama, izay midika hoe "morontsiraka kely" amin'ny teny Japoney, noho ny fifanojoan'ny anarany amin'ny anaranà mpifaninana iray ho filoham-pirenena Amerikana.
Serbia: “Fasisma Miafina”
Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic
India: Eo Anelanelan'i Tibet Sy Shina
Nandritra ny andro vitsivitsy lasa izay, nifantoka tamin'ny fandaminana ny fitroaran'i Tibet sy ny Governemanta Shinoa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, saingy ao India, nahitana adihevitra maromaro mikasika ireo hetsik'i Shina ao Tibet sy ny andraikitr'i Tibet ao anatin'ireo fifandraisana misy eo amin'i India sy Shina....Tsy azoko mihitsy ny mbola tokony hanaovantsika 'tango' miaraka amin'i Shina. Manahy ve isika satria tsy afaka milalao an'ireo kilalao feno poizina mora vidy ireo zanatsika? Tsy ho gaga aho raha toa ny governemanta hamàny ampataloha
Inona No Tena Mandresy Lahatra Ireo Mpankafy Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany 2018 ? Ny Fango Vaovao Mampisavoritaky Ny Fizahantany Rosiana Ve Sa Ny Fampitandremana Hentitra Ataon'ny Governemantany ?
Miaraka amin'ny fahalakin'ny fanakaikezan'ny fiadiana ny amboara erantany, ho voatazon'i Rosia ve ilay teny faneva vaovaon'ny fizahantany " izao tontolo izao aty Rosia " ?
Macedonia: Sakura – Cherry Blossom Celebration in Skopje …………Makedonia: Sakura – Firavoravoana Fa Vaky Felana Ny Serizy
Na dia vitsy aza ireo Japoney miaina ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, maro ireo mponina ao an-toerana no nandray anjara tamin'ny fety faharoa fankalazana ny Sakura isan-taona - fety natokana ho an'ireo voninkazon'ny serizy ao Skopje, renivohitr'i Makedonia. Nampidirin'ireo mpikarakara ny fety ireo dojos fanaovana fanatanjahantena haiady, ary vao haingana ireo blaogera sasantsasany malaza no nanomboka ny blaogy ifandrimbonana, Japan@mk [MKD], sy nanomboka nanely ny resaka manerana ny tontolon'ny blaogy makedoniana.
Nahilik'i Aostralia ary Nomelohina Higadra ao Indonesia, Manohitra ny Fiainana Tsy Antany Tsy Amparafara Ny Mpitsoa-ponenana
Nanameloka ity "Vahaolana Indoneziana" ity ireo fikambanana tsy miankina Aostraliana, milaza fa mandoa vola "an-jatony tapitrisa dolara ho an'i Jakarta ny governemantany mba hanagadrana sy hametrahana ireo mpangataka fialokalofana. Mamela ireo mpifindra monina mba hotazonina hatramin'ny 10 taona tsy misy fandinihana ara-pitsarana ny lalàna Indoneziana.
Kolombia: Fanehoan-kevitra Tao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fivorian'ny FFA Manokana Momba an'i Venezoela sy Kolombia
Noresahana manokana tamin'ny fivoriana tao amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana (FFA) ny olan'i Kolombia sy Venezoela, ka naneho ny fomba fijerin' izy ireo tamin'izany ireo ambasadera avy amin'ireo firenena roa tonta.
Naaton'i Iràna Ireo Fanamelohana Ho Faty An'arivony Mifandraika Amin'ny Zava-mahadomelina Taorian'Ireo Taona Maro Nisoloana Vava Ny Zon'Olombelona
"Ny sivy folo isan-jato amin'ireo voaheloka ho faty noho ny heloka bevava mifandraika amin'ny zava-mahadomelina no indrisy fa mahantra mampalahelo mpisolo vaika ny akalana noho ny fitaterana fotsiny ireo zava-mahadomelina mba handoavana ny trosan'ny zanany vavy na ho an'ny fandidiana ny renin'izy ireo."
Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina
Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe 'tsy nisy tomika', takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny ho fiantraikan'ilay fanavotana, sy ireo tombontsoa mety ho tao ambadik'izy iny.
Milaza Ny Filohan'i Ghana Fa Tsy Maintsy Miala Amin'ny ‘Toe-tsaina Tia Miankina’ Amin'ny Fanampian'ny Tandrefana i Afrika
Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natao tamin'ny Novambra 2017 niaraka tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nanambara ny filoham-pirenena Ghaneana Nana Akuffo-Addo fa tsy maintsy miala amin'ny "toe-tsaina tia miankinan-doha" amin'ny fanampiana Tandrefana ny Afrikana ary hitady fahafahana ara-barotra mitovy.