· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jona, 2017

Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”

Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."

26 Jona 2017

Egypta: Ny Veran-Divay Teny An-tànan'ny Mpanjaka Abdullah

Niparitaka ny tsaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaraka tamin'ny sary izay mampiseho ny Mpanjaka Abdullah ao Arabia Saodita mipetraka teo anilan'ny filoha Amerikana George W Bush sady mitana veran-divay iray teny an-tànany. Kanefa dia voarara ny alikaola amin'ny finoana Islamo araka ny efa fantatrareo rehetra.

21 Jona 2017

Costa Rica: Ny Fahatongavan'i Shina

Inona no dikan'ity fifandraisana ara-politika sy ara-barotra vaovao ity? Nahoana i Costa Rica no niala tamin'ny fifandraisana ara-politika 60 taona tamin'i Taiwan mba hanomboka fifandraisana vaovao amin'ny goavan'ny varotra ao Aziatika, Shina?

20 Jona 2017