Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2021
Raharaha Uyghur : Mitsipalotra ao Afghanistan ny tena atahoran'i Shina indrindra
Raha hita ho manamafy ny fifandraisana eo amin'izy ireo ny Taliban sy i Shina, dia mety ho vato mahatafintohina ara-diplaomatika kosa ny voina mahazo ireo Uyghurs migadra any amin'ireo lazaina ho toby fanarenana (fanabeazana indray) ao Shina.
Niala tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny mpanohitra sy ny Vondrona Eoropeana ny antoko Georgian Dream
Nisintaka tamin'ny fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondrana Georgian Dream.
Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra sinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Miantso ny Praiministra Aostraliana ny Printsy Charles mba hanatrika ny fihaonambe manerantany momba ny fiovaovan'ny Toetrandro ao Glasgow
Taorian'ny vazivazy avy any Angletera, milaza ny tatitra fa mety hanatrika ny COP26 ny praiminisitra Morrison. Na izany aza, toa nandà ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta fa mety nisy fiantraikany teo aminy ny fanamarihan'ny printsy.
Mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Yoga, fomban-drazana Indiana fahiny, ny olona manerana izao tontolo izao
"Firenena maro izay tsy mahalala ny fiteninay, ny fomban-drazanay na ny kolontsainay, no mifandray amin'i India ankehitriny amin'ny alàlan'ny Yoga. Mampifandray ny vatana sy ny saina ary ny fanahy ny yoga."
Misaona ilay Indiana mpiaro vehivavy Kamla Bhasin i Azia Atsimo
Namoy ny ainy tamin'ny 25 septambra 2021 tao New Delhi, India i Kamla Bhasin, mpisavalalana ny hetsika zon'ny vehivavy any Azia atsimo. Nahatsiaro azy tao amin'ny media sosialy ireo mpikatroka ary nisaona ny fahafatesany.
Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”
Ny 29 Septambra, nihaona tao amin'ny tananan'i Sochi ao amin'ny Ranomasina Mainty Rosiàna ireo mpitarika ny firenena roa tonta, mba hiresaka ny ara-toekarena sy ireo fifanarahana stratejika ary ny fisian'izy ireo any amin'ireo faritra misy fifandonana.