Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2021
Inona no diso amin'ny fampitahana ara-politika an'i Taiwan amin'i Afghanistan?
Taorian'ny fialan'ny tafik'i Etazonia tao Afghanistan, nihazakazaka an-jotra ny Shinoa mpaneho hevitra hanoritsoritra ny fampitahana eo amin'i Taiwan sy i Kabul ao amin'ny media sosialy sy nanontany raha mpiara-dia azo ianteherana i Etazonia.
Mangataka ny famotsorana an'i Cheng Lei izay voatazona herintaona an-tranomaizina tany Shina ireo mpanao gazety
"Manahy ny fiantraikan'ny fisamborana azy amin'ny asa fanaovan-gazety izahay, izay tsy mbola nampanahy toy izany hatramin'izay."
Miala tsiny tamin'ny fanafihana mangiran-dratsy nahazo ny fokonolona Pasifika taompolo 1970s ny governemantan'i Nouvelle Zéllande
"Mijoro eto anatrehanareo aho ho mariky ny Satro-piandrianana izay nandiso anareo efa ho 50 taona lasa izay."
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Ny tolona diplaomatika momba ny anaran'i Taiwan amin'ny Lalao Olaimpika
Ny sainan'ny Lalao Olaimpika ihany no azon'i Taiwan ampiasaina satria lavin'ny komity olaimpika iraisampirenena ny fampiasany ny sainam-pireneny.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.