Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Septambra, 2009

30 Septambra 2009

Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet

Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.

Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy

Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.

Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana

Manazava ny mpilalao sarimihetsika George Clooney ny fomba ahafahanao mandray anjara sy hahatafidiranao ho isan'ny 5 mpandresy izay mety ho tsara vintana handray anjara amin'ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any amin'ny tanànan'i new York.

29 Septambra 2009

Afovoany Atsinanana: Ny fivoaran'ny Mofomamy kely Cupcake

Tratry ny rivo-maherin'ny fiovana ny mofomamy kely cupcakes any amin'ny faritra Afovoany Atsinana ary mitrandraka ny fandrosoan'izany ireo mpampiasa bilaogy mpankafy ny mamy. Mitantara i Jillian C. York avy any an-tsisin-tany.

17 Septambra 2009

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...

05 Septambra 2009

Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy

Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais...