· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jolay, 2018

Madagasikara: Kianin'Ireo Mpitoraka Bilaogy Malagasy Any Frantsa Ilay Politikan'i Sarkozy Momba Ny Fifindràmonina

Ny famoronana minisitera iray misahana ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena no fandaharanasa iray izay heverin'ny filoha frantsay vaovao, Nicolas Sarkozy. Tsy maintsy manaiky io hetsika hentitra io ireo mpifindramonina efa ela niainana tao Frantsa. Nampiady hevitra ireo mpitoraka bilaogy malagasy monina any Frantsa izany ....

30 Jolay 2018

Sri Lanka: Natao Fahirano Ny Toeram-piasan'ny Firenena Mikambana

Lasibatry ny tsikera ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon , satria tamin'ny 22 jona farany teo, namolavola kaomisiona mpanadihady izy natao hanasokajy ny famaritana ny andraikitra tamin'ny fifanitsakitsahana ny zon'olombelona izay toa natao nandritra ny ady an-trano niseho teo amin'ny fanjakana sy ireo mpanohitra avy ammin'ny LTTE no tanjony.

24 Jolay 2018

Afrika Atsimo: Horakoraka taorian'ny fandavana ny visa ho an'ny dalaï-lama

''Nandà tsy hanome visa ny dalaï-lama mba hanatrehany fivoriana ho an'ny fandriampahalemana tokony hiseho tao Afrika Atsimo ny fanjakana afrikana tatsimo. Niteraka horakoraka manerana ny aterineto ilay fanapahankevitry ny fanjakana, tao amin'ny Twitter ka hatrany amin'ny Facebook sy ireo blaogy (amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy rehetra).''

24 Jolay 2018

Haiti: Firodanan'ny sekoly iray tao Haiti

''Tsy nanakana ny vaovao hitranga ny zava-misy fa tsy nila loza hafa i Haiti. Momba ny firodanan'ny sekoly iray tao Pétionville izany amin'ity indray mitoraka ity, izay niteraka fahafatesan'ny ankizy maro, ary olona maro tsy voatanisa naratra. Nihazakazaka hanolotra ny fiarahamiory sy ny fanohanany an-tambajotra ireo blaogera haitiana.''

22 Jolay 2018