Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Marsa, 2019
Diplaomaty Toniziana teo aloha voasazy nosazian'ny fitsarana Frantsay higadra 8 taona an-tranomaizina
Voampanga ho nanome baiko hanao hetsika fampijaliana sy habibiana tamina vehivavy mpiray tanindrazany aminy antsoina hoe Zulaikha Gharbi i Ben Said fony izy mbola lehiben'ny polisy tao an-tanànan'i Jendouba, Tonizia, 12 taona lasa izay, kaonsily lefitra teo aloha tao Strasbourg io voatonona farany io.
Mampitombo adihevitra ao Myanmar: sahan'akondro Kachin an-tsary
"Nahazo ny fanohanan'ny Shinoa ny ankamaroan'ny saham-pambolena ary ampangaina ho mangala-tany, manimba ny tontolo iainana ary manitsakitsaka ny zon'ny mpiasa ireo Shinoa ireo."
Jordania: “Mampody an'i Raad” avy any Syria
Natsangana amin'ny aterineto ny hetsika hanerena ny manampahefana Syriana hamotsotra ilay Jordaniana Raad Kawar, izay nogadraina nanomboka ny 19 Aprily.
Jordania: Miady hevitra momba ny mety ho Fivorian'ny Vaomieran'ny Fiaraha-Miasa ao amin'ny Helodrano
Niteraka fanehoan-kevitra marobe ny fanambarana fa mety hanatevin-daharana ireo mpikambana enina ao amin'ny Filankevitry ny Fiarahamiasan'ny Helodrano (Gulf Cooperation Council -GCC) na (GCC) i Jordania sy i Maraoka.
#MeTooSebat (SebatKoaAho): Ny Media Sosialy No Alain'ireo Kirgyzstan Mba Hiadiana Hevitra Mikasika An'ireo “Sekoly Gulen” Miteraka Resabe
Anisan'ny mendrika indrindra ao Kyrgyzstan ireo sekoly saingy manana fahavalo matanjaka, anisan'izay i Tiorka, sy ny lazany ho manana tsiambaratelo.
Izay Nampianarin'ireo ‘Tatin-jaza’ Ahy Mikasika An'i Eoropa
"Miaraka amina fidirana tsy misy teritery amin'ny aterineto sy amin'ny fampahalalam-baovao, nifoha ny saina tia manadihady tao anatiko ary nanomboka nihevitra an'ireo tsy mampiasa afa-tsy fisaina roa fototra, toy ny "mandroso" sy "efa lany andro", ka mamerina manadihady indray ny politika ao Tiorkmenistana sy any Andrefana."
Faha 7 Martsa: Ilay andro nitorian'i Gandhi ny revolisiona tsy misy herisetra tao Myanmar
"Tsy manana tari-dalana hafa sy tsara kokoa aho omena anareo afatsy ny manoro hevitra anareo amin'ny fitsipika ankapobeny amin'ny tsy fanaovana herisetra, na ny antsoina ihany koa hoe ny fanadiovan-tena."
Nandroaka mpiasa ambony tao amin'ny orinasan'ny fifandraisan-davitra MTN i Oganda noho izy ireo lazaina fa mitsikilo
Nanamafy i Namaye fa natao fanadihadiana izy roa ireo nandritra ny "fotoana fohy" ary noroahana satria "nihevitra izahay nandritra ny fanadihadiana fa raha mbola mijanona [ao Oganda] ry zareo, dia mety hiteraka.... olana sy fahasahiranana bebe kokoa."
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...