· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2010

Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE

Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan.

31 Desambra 2010

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:

27 Desambra 2010

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

24 Desambra 2010

Azerbaijan: Fomba fijery avy ety ivelany.

Ho an'ireo izay mipetraka any amin'ny firenena somary miavaka amin'ny rehetra, dia maro ireo zavatra azo raisina ho tena misy tokoa. Nefa raha ny hafa avy any ivelany no mahita izany amin'ny voalohany, matetika izy ireo mahita loko sy fomba amam-panao hafa. Vokatr'izany mahafantatra zava-baovao izy ireo

15 Desambra 2010

Jordania: Baraingo momba ny raharaha-na telegrama navoakan'ny Wikileaks

Ny zavatra navoakan'ny Wikileaks farany, fantatra amin'ny anarana hoe "raharaha-na telegrama," dia mampisongadina ireo filazana maro nataon'ireo Mpitondra Jordaniana, tahaka izany ihany koa ireo fifandraisana maro avy any amin'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana any Amman. Manana fomba fihetsehina samy hafa mikasika ity vaovao ao amin'ny vohikalan'ny *whistle-blower* ireo mpitoraka Tweet.

04 Desambra 2010