Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2020
Tontolo Arabo : “Jadona demaokratika iray i Iràna”
Mahavaky fo ny hoe any amin'ireo firenena andalampandrosoana, [...] samy miezaka daholo ny rehetra hanova ny zavamisy [manodidina azy], [...] afa-tsy [...] ireny mpanao jadona ireny ihany, efa nifandimby ampolo taona maro nitondra tao amin'ny governemanta ny ray sy ny zanaka lahiny, fa toa tsy mampaninona an-dry zareo velively izany.
Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India
Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India.
Naolan'ny TV-mpanjakana shinoa ny fanamarihan'ny siantifikan'ny OMS tao amin'ny horonantsary niely haingana
Nesorina tamin'ny kabary ny "raha" notenenin'ny Dr. Swaminathan tao amin'ny horonantsary.
Misy resaka anarana ihany koa no anton'ireo fifandirana iraisampirenena: Ny raharaha ao Nagorno-Karabakh
Toy ny any amin'ireo faritra rehetra onenana mponina avy amina firenena mampiasa fiteny samihafa, raha ity tranga eto ity, ny Azerbaijanis mampiasa ny fiteny Tiorka, ny Azerbaijani, ary ny Armeniàna mampiasa ny fiteny Indo-Eorôpeana, Armeniana, midika zavatra betsaka noho izay anarana hafa ny anarana ara-jeografika