Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Marsa, 2020
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Shina: Tsy maintsy fanondranana tany tsy fahita firy sa tsia ?
Miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Nilaza amim-pahadisoana ny fankatoavan'i Jamaika azy ny politisianin'i Kosovo. Fa naninona no tsy nanamarina ny media?
Nilaza ny fankatoavan'i Jamaika ny fireneny ho manana ny fiandrianam-pireneny nahazo tatitra betsaka tamin'ny media ny manampahefana Kôsôvara tamin'ny 19 febroary. Ary notsipahan'i Jamaika avokoa izany rehetra izany avy eo.
Avy any Soeda hatrany Meksika, manazava ny antony mampanjavona ny teniny ry zareo indizeny
Kilaometatra an'arivony no manasaraka an'ireo firenena Tavaratra ao Eoropa amin'i Meksika sy Pero, saingy manana toetra iraisana ry zareo, ny famotehana ny maripamantarana an'ireo vahoaka teratany ao aminy
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.