· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2009

Mitsidika any Indonezia i Clinton

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma,...

25 Febroary 2009

Maghreb: Nifampiresaka tamin’I Polisario ny solotenan’ny firenena mikambana mpiandraikitra an’i Sahara andrefana.

Tonga tao Alzeria I Christopher Ross omaly, solotena manokana avy amin’ny firenena mikambana misahana ny raharaha Sahara andrefana, mba hifampireska amin’ny fiadidian’ny Polisario, araky AFP. Mamehy ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy manoloana ny faritry Maghreb momba ny fandrosoana faranay i Jillliana York.

24 Febroary 2009

Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra

Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.

24 Febroary 2009

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

19 Febroary 2009