Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2015
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."
Volavolan-dalàna Vaovao Hamela An'i Rosia Tsy Hiraharaha Ny Fanapahankevitra Iraisampirenena Momba Ny Zon'olombelona

Ilay lalàna vao lany vao haingana dia afaka hanome alalana ny Fitsaràn'ny Lalàmpanorenana Rosiana hanova ireo fanapahankevitra momba ny zon'olombelona iraisampirenana avoaka ho an'i Rosia, manome alalana an'i Kremlin mba hiala amin'ireo adidiny momba ny zon'olombelona iraisampirenena.
Nidina An-dàlambe Ny Haitiana Ho Fanoherana Ny Voka-Pifidianana
Hamafisin'ny Haitiana fa tsy marina ny vokatry ny fifidianana natao tao amin'ny firenena vao haingana teo, ka nahatonga hetsika goavana an-dàlambe, izay vetivety foana dia nanjary nahery vaika.
Nahoana No Faranan'ny Filohan'i Taiwan Ma Ying-Jeou Amin'ny Fihaonana Antampon'ny Helodrano Ety Ny Fitondrany ?
Midika fa misy zavatra tena, tena tsy ampoizina ny minitra farany nihaonan'ny Filoha Shino Xi Jiping sy ny Filoha Taiwane Ma Ying-Jeou roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena any Taiwan.
Ny Fahasarotan'ny Fiatrehana Ny Fiovaovan'ny Toetrandro Ao Benin
Ny fahantrana, ny fomba fampiharana sy ny tsy fisian'ny fanentanana no mahasarotra ny ezaka fanatanterahana, hoy ireo manampahaizana tamin'ny fihaonambe momba ny fampandrosoana sy ny fiovaovan'ny toetrandro tao Benin.
Tapaka Ny Hevitr'Ilay Lehilahin'ny Vaovaon'i Kremlin Fa Fotoana Izao Hitenenana Hoe “Daesh” Fa Tsy “ISL”

Nanjohy ny adihevitr'izao tontolo izao ny mediam-panjakan'i Rosia mikasika izay hiantsoana ny Al Qaeda izay tonga mba hifehy ny faritra maro ao Iraka sy Siria.
Averin'i Pakistan Any Gresy Ireo Olona Sesintany Tsy Voamarina Noho Ny Politikan'ny Fifindra-monina Mihahenjana
Nandroaka olona 49 ho any Pakistan i Gresy ary nalefan'i Pakistana niverina ny 30 tamin'izy ireo, satria samy miatrika ny krizin'ny mpitsoa-ponenana tsy mbola nisy tahaka izany ny firenena roa tonta.
Mitondra Ny Fifanarahana Nokleary Iraniana Hanakaiky Kokoa Ny Tena Zavamisy Ny Tatitry Ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana Momba Ny Atomika
Nambaran'ny tatitra fa nitsahatra tamin'ny 2009 ireo ezak'i Iràna hamorona fitaovam-piadiana nokleary. Ny sasany indray nahita azy io ho toy ny fanamafisana fa poakaty sy tsy misy ilàna azy ireo sazy, izay ny betsaka taminy dia napetraka taorian'ny 2010.
Fanantenana Hisian'ny Frantsa Miray Rehefa Nandalo Fankahalàna Sy Tahotra
"Ny tsirairay ho an'ny rehetra ary ny rehetra ho an'ny zanak'Olombelona, miray ary hiray mandrakizay isika"
Misarakevitra i Kyrgyzstan manoloana ny fifandroran'i Rosia sy i Torkia noho ilay voromby
Satria mbola mitohy ny fifandroritana ara-diplaomatika eo amin'i Moskoa sy i Ankara, dia sarotra ny safidy mipetraka eo amin'ny firenena kely ao anatin'ny ambaindain'ny roa tonta indray miaraka.