Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Avrily, 2024
Inona no ao ambadik'ireo ‘hirika volamena’ entin'ilay fiarahamiasa vaovaon'ny vondron'orinasa media maleziàna Star amin'ilay mpiaramiasa aminy avy any amin'ny tanibe Shina
Ny fanjakana shinoa no hany tokana tompon'ny petrabola ao amin'ny Contemporary World Publishing Co., Ltd,, ilay orinasa ao ambadiky ny Contemporary World Magazine, mpiaramiasa farany indrindra ao amin'ny Vondrona Media Star.
Manameloka ny filazan'i Shina momba ny fihenjanana an-dranomasina ny vondrona fampahalalam-baovao Filipina
"Manao vivery ny ainy manoloana ny herisetra tampoka ireo mpanao gazety ao anatin'ireo sambo mpamita iraka mba hampiharihary ny tena fahamarinana misy."
Resadresaka nifanaovana tamin'i Joel Schalit, mpanao gazety israeliana-amerikana: ‘Tian'ny governemanta israeliana hatsahatra amin'ny fomba ofisialy ny demokrasia’
Nitafa tamin'i Joël Schalit, mpiara-manorina ny The Battleground, momba ny adin'i Israely amin'i Gaza ny Global Voices. Mpanao gazety Israeliana-Amerikana i Schalit, mitantara ny politika Eoropeana sy Afovoany Atsinanana, isan'izany ny ho an'ny media Israeliana.
Nitambatambatra ho fanilikilihana ireo lalàna fanitsiana ny zom-pirenena ao India
Nipoaka nanerana ny firenena ny hetsi-panoherana tsindraindray taorian'ny nampiharan'ny governemanta Indiana ny Lalàna Fanitsiana ny maha-olom-pirenena 2019, herinandro vitsy monja talohan'ny fifidianana ankapobeny ho avy any India.