Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jolay, 2013
Mpilatsaka An-tsitrapo Espaniola Roa Navotsotra Rehefa Notànana Nandritra Ny 21 Volana
Niasa tamin'ny fananganana hopitaly ao Dadaab, tobim-pialokalofana midadasika indrindra manerantany ao Kenya i Montserrat Serra sy Blanca. Fantatra fa nalaina tao Somalia ireto mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ireto rehefa avy nisy naka an-keriny
Tambajotra Sosialy Rosiana #1 Voahenjika Any Ivelany
Notaterin'i Nikolai Durov mpiara-mamorona ny VKontakte tamin'ny 26 Jona 2013 fa nalain'ny manampahefana Okrainiana ny lohamilin'ny orinasa.
Manoloana Ny Tsy Fahombiazan'ny Politikam-Pifehezan-Kibo, Inona ny Vahaolana ho an'i Eoropa ?
Tsy tafavoaka ao anatin'ny krizy mahazo azy i Eoropa na dia mampihatra ny politikam-pifehezan-kibo aza. Mandrisika ny Malagasy rehetra hazoto mamaky lahatsoratra ara-toekarena tahaka itony itarafana ny politika ara-toekarena sahaza antsika.
Mbola Velona Tsy Misy Toy Izany Ny Adin'ilay Poeta Aimé Césaire
Nifanindran-dalana tamin'ilay fivoahan'ny didim-pitsarana an'i Trayvon Martin ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Césaire. Mandinika ny fifandraisan'izany i Amadou Lamine Badji ato amin'ity lahatsorany voalohany ho an'i Global Voices ity.
Riau, Indonezia : Zavon'ny ‘Ground Zero’ Ao Azia Atsimo
Ilay setroka mahafaty nandrakotra an'i Singapore sy ireo faritra sasantsasany tao Malayzia hita tamin'ity taona ity dia vokatry ny doro ala tao Riau, izay ao amin'ny faritra Andrefan'i Indonezia. Mazava ho azy fa nisarika ny sain'ireo filazam-baovao goavana rehetra izany, kanefa, vitsy ny tatitra mahakasika ny manjo ireo mponina ao...
Tanzania: Jery Todika Ny Fiomanana Tamin'ny Fitsidihan'i Obama
Niverina tamin'ny andavanandro i Dar es Salaam, roa andro taorian'ny nandraisany ilay lehilahy tsy iadian-kevitra fa mahery eto amin'izao tontolo izao : ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Nanerana ireo làlana tao an-tanàna ny sarin'io lehilahy io.
Voina Nampisongadina Ny Finamanana An-Tserasera Teo Amin'i Romaniana sy ny Montenegrins
Iray amin'ny lozam-pifamoivoizana nampalahelo indrindra tsy mbola nisy tahaka izany tao Montenegro ny tamin'ny 23 jona 2013 nahafatesana Romaniana 18 sy naharatrana 29. Niely haingana ny vaovao momba ny loza, ary noho ny fahatsaram-pon'ny vahoakan'i Montenegro tamin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, dia niely ihany koa ny hafatra fankasitrahana, fahalalaham-po, firaisankina...
Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka
Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa mpamokatra fahitalavitra HBO izy, mpiaro mafanà fo ireo biby – ary mpikambana ao amin'ny HSUS, fikambanana manameloka ny halozàna atao...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...