Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2014
Hihoatra Noho Ny Hoe Nizeria Tsy Misy Ebola

Tsy tokony hipetrapetraka amin'ny fanamarinanan'ny Fikambanana Misahana Ny Fahasalamana Maneran-tany momba ny tsy fisian'ny Ebola any aminy intsony akory i Nizeria.
Manohana An'i Okraina Ireo Rosiana Lehiben'ny Mpanohitra, Fa Tsy Hiverina Kosa Anefa i Krimea

Manana hafatra ho an'i Okraina ireo lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny sy i Mikhail Khodorkovsky : Lasa iny i Krimea, ary tsy hahatafaverina azy intsony i Okraina.
Vonona Handany Ny Lalàna Miady Amin'ny Pelaka i Kyrgyzstan
Nandany ny lalàna manasazy ireo izay maneho "fihetsika mankatò ny fiarahana ara-nofo tsy nentim-paharazana" ny mpanao lalàna ao Kyrgyzstan tamin'ny 15 Oktobra. Nandritra ny fandinihana voalohany ny volavolan-dalàna, solombavambahoaka 79 no nankatò ny volavolan-dalàna, ary fito monja no nitsipaka izany.
Kashmir Niatrika ‘Herisetra Ratsy Indrindra Tao Anatin'ny Folo Taona” Teo Amin'ny Indiana sy Ny Pakistaney
Nantsoina ho "ratsy indrindra tao anatin'ny taom-polo" ny fitroarana farany tao amin'ny LOC, ary maro ny matahotra fa mety hanimba ny fampitsaharana ady 2003 manontolo izany.
Tsikerain'ny Masedoniana Ny Kabary Tsy Nampoizin'ny Filoha Ivanov Tao Amin'ny Firenena Mikambana
Tsy hitahita sy tsy nandrenesam-peo nandritra ny volana maromaro raha nahitana fifandonana ara-poko tao amin'ny fireneny ny Filoha Masedoniana Gjorge Ivanov. Avy eo, nikabary eo anoloan'ny Vaomieran'ny Filaminana niresahany ny tsy mbola ahatafidiran'ny fireneny ao amin'ny OTAN sy ny ezaka manerantany iadiana amin'ny fampihorohoroana misy amin'izao fotoana izao.
Manery Ireo Orinasa Manao Ny Asan'ny H&M, Walmart ary Zara Ny Kambojiana Mpiasa Hanome Karama Azo Iainana
Mitaky karama farany ambany 177 dolara amerikana isam-bolana ny mpiasa. Lasibatry ny famoretana ny fitokonana teo aloha tamin'ny volana janoary izay niafara tamin'ny fahafatesan'ny mpiasa nitokona miisa dimy.