Rosia, Shina, Afghanistan ary ireo firenena hafa ao Azia Afovoany : ny fifindra-monina sy ny asa an-terivozona-fanandevozana ara-nofo

Lehilahy iray manety volo ny namana mpiara-mifindra monina aminy any Azia Afovoany ao amin'ny trano iray ao Moskoa. Sary avy amin'i Fred S. tao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0)

Tamin'ny 2 Aogositra 2022, nomelohin'ny fitsarana any Kazakhstan higadra 15 taona an-tranomaizina noho ny fanolanana sy fanondranana olona an-tsokosoko i Murat Meirbekov, Kazakh 56 taona monina any Zeorzia. Namoy ny ainy tany am-ponja tany Zeorzia tamin'ny 15 Jolay ilay voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy antsoina hoe Besik Tordua, lehilahy Zeorziana voampanga ho nanolana sy nandrisika famonoan-tena. Nampiseho lalam-panondranana olona an-tsokosoko iraisampirenena hanaovana fanandevozana ara-nofo sy ireo sakana amin'ny fiaraha-miasa ara-pitsarana ity zava-nitranga ity. Araka ny tatitra ara-pitsarana, voalaza fa nanasa an'i Assel Aitpayeva, vehivavy Kazakh 26 taona havany lavitra ho any Zeorzia, nampanantena asa azy ilay lehilahy voampanga, kanefa nanolana azy ary “namita ny fifampiraharahana” tamin'ny fandefasana azy tany amin'ny mpiray tsikombakomba taminy. Araka ny filazan'ny biraon'ny fampanoavana Zeorziana, nitsambikina avy eny amin'ny rihana fahavalon'ny trano fonenana iray tao an-drenivohitra Zeorziana tao Tbilisi izy tamin'ny 5 Mey, rehefa avy naolana sy norahonan'ny lehilahy maro, ka izany no nitarika ny fisamborana an'i Tordua, saingy nitarika fitsarana roa samihafa tany amin'ny firenena roa nony farany ny tsy fisian'ny fifanarahana fampodiana teo amin'i Zeorzia sy Kazakhstan, satria niverina tany Kazakhstan i Meirbekov iray andro talohan'ny nahafatesan'i Aitpayeva.

Ny ampitso, olom-pirenena Ozbeka 10 no navotsotra tamin'ny asa fanandevozana tao Almaty, tanàna lehibe indrindra ao Kazakhstan, tamin'ny alalan'ny hetsika narindran'ny polisy Kazakh sy ny kaonsily jeneralin'i Ozbekistan, manambara ny olana mampihoron-koditra momba ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny endrika fanandevozana maoderina ao amin'ny faritra Azia Afovoany amin'ny ankapobeny ary ao Kazakhstan indrindra indrindra. Araka ny tatitra ofisialin'ny ministeran'ny atitany Kazakh, raharaham-pitsarana 57 mifandraika amin'ny fanondranana olona an-tsokosoko no napetraka tao anatin'ny enim-bolana voalohany tamin'ny taona 2022 fotsiny, raha oharina tamin'ny tranga 103 tamin'ny taona 2021, raha voatery nanao asa fanandevozana ara-nofo na asa an-terivozona kosa ny vahoaka, izay vahiny ny maro amin'izy ireo, ary matetika voasariky ny fampanantenana asa.

Raha heverina ho singa manamora ny vondron'olona marefo ho eo am-pelatanan'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny krizy ara-toekarena, ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny tsy fisian'ny asa. Heverina koa fa hampitombo bebe kokoa ny isan'ny olona lasibatr'ireo mpanao trafika olombelona ny fitotongan'ny toe-karena vokatry ny  valan'aretina COVID-19. Ankoatra izany, niteraka mpitsoa-ponenana an-tapitrisany ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina sy ny ady mihoson-drà naharitra nandritra ny dimy volana mahery, satria maro hafa no tafahitsoka ao amin'ireo tanàna voatafika na nobahanan'ny tafika Rosiana, ka mampitombo ny loza ateraky ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny fanararaotana ara-nofo. Efa nitarika fahaverezana asa efa ho dimy tapitrisa tao Okraina fotsiny ny roa volana sy tapany voalohany tamin'ny ady .

Fianakaviana Okrainiana mpitsoa-ponenana ao amin'ny sisin-tanin'i Reni-Cahul eo anelanelan'i Okraina sy Moldavia. Sary avy amin'ny UN Women ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Raha ho an'ny faritra Azia Afovoany indray, nahatonga ny tahotra fifindra-monin'ireo mpiasa mpifindra monina an-tapitrisany Azia Afovoany ao Rosia ny fitotongan'ny toe-karena, ny tsy fisian'ny asa ary ny fikorontanan'ny varotra sy ny fikorianan'ny vola nateraky ny ady. Araka ny angon-drakitra tamin'ny taona 2020, amin'ireo mpifindra monina iraisampirenena 11,6 tapitrisa monina ao amin'ny Federasiona Rosiana, avy amin'ireo firenena efatra any Azia Afovoany, Kazakhstan (22), Uzbekistan(10), Kyrgyzstan (5), and Tajikistan (4) ny 41 isan-jato, ary maro amin'izy ireo no mpiasa mpifindra monina. Manahy ny amin'ny fahaverezan'ny asa sy ny fidiram-bolany ireo mpiasa mpifindra monina, ka mitady asa maika any amin'ny firenena vaovao sy tsy mahazatra, toa an'i Japana, Korea, ary na ny UK mihitsy, izay manamora ny fanondranana olona an-tsokosoko, izay mitondra manodidina ny ampahatelon'ny harinkarena faobe any amin'ny firenena toa an'i Kyrgyzstan sy Tajikistan ny vola alefan-dry zareo any an-tanindrazana. Ankoatra izay, satria toa mbola tsy tsinjo ny fiafarana ny ady sy ny sazy, mety hitarika amin'ny fitontongana goavana amin'ny toe-karena ao amin'ny faritra, sy tsy fananan'asa ary tsindry bebe kokoa amin'ny tsenan'ny asa any Azia Afovoany ny fahaverezan'ny asa aterak'izany ho an'ny mpiasa mpifindra monina sy ny mety ho fiverenan'izy ireo any amin'ny firenena niaviany.

Ela be talohan'ny fananiham-bohitra Rosiana an'i Okraina amin'izao fotoana, tao Rosia irery no niaviana, nandalovana na toerana izoran'ny olona naondrana miisa hatramin'ny 1,5 tapitrisa, anisan'izany ny asa an-katerena sy ny fanararaotana ara-nofo, ary avy amin'ireo firenena manodidina ny ankamaroany. Ambonin'izany, namoaka ny Human Rights Watch fa nielipatrana ny fanararaotana sy ny fampiasana tsy ara-drariny ireo mpiasa mpifindramonina ao Rosia, izay nahitana ny fihazonana na ny fanemorana fandoavan-karama, sy fitazonana pasipaoro na fahazoan-dàlana hiasa. Mbola manjavozavo kokoa aza ny manjo ireo mpiasa “tsy ara-dalàna” fa nanosika ireo mpifindramonina maro be ho any amin'ny tsy ara-dalàna raha hiasa ao Rosia ny rafitra tsy mila visa any amin'ireo firenena Azia Afovoany marobe miampy ny olan'ny fanjakam-birao izay tena manahirana. Araka ny filazan'ny lehiben'ny fampanoavana ao Rosia, ny 99 isanjaton'ny raharaha heloka bevava fanondranana olona an-tsokosoko any Rosia tamin'ny taona 2020 dia mahavoaroiroy fikambanam-pivarotan-tena na fizarana fitaovana vetaveta, ary matetika rembin'ireo jiolahy ireo ny mpifindramonina “tsy ara-dalàna” tsy te-hifanena amin'ny mpampihatra lalàna.

Mpiasa mpifindramonina nokaramaina ho amin'ny sehatry ny fanorenana any ambanivohitr'i Rosia. Sary avy amin'i Marcel Crozet / ILO tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Mametraka an'i Rosia ho isan'ireo firenena Tier 3 (ambaratonga faran'izay ratsy indrindra), miaraka amin'i Afganistana, Shina ary Turkmenistan ny tatitry ny Departemantam-panjakana Amerikana isan-taona momba ny fanondranana olona an-tsokosoko raha voasokajy ho isan'ireo firenena Tier 2 kosa ny ambiny ao Azia Afovoany, anisan'izany i Mongolia. Noho ny tsi-fahombiazan'ny rafitra ara-pitsarana sy ara-pitantanana izay matetika mitarika fanararaotana sy fampiasana tsy ara-drariny ireo mpiasa mpifindramonina, ary manokatra lalana amin'ny fanondranana olona an-tsokosoko, voarakitry ny tatitra hatrany ny fampiasan'ny Koreana Tavaratra ny asa an-terivozona sy ny fandraisana ny ankizy hanao miaramila ao amin'ny faritra Dombas fehezin'i Rosia any atsinanan'i Okraina hatramin'ny taona 2014. Hatramin'ny niandohan'ny ady tamin'ny volana Febroary 2022, vao mainka niharatsy ny toe-draharaha efa mampatahotra momba ny fanondranana olona an-tsokosoko any Rosia, araka ny nambaran'ny tatitra mampihoron-koditra momba ny fampiasana hatrany ny herisetra ara-nofo ataon’ny tafika Rosiana  ao Okraina, ny famindran-toerana an-tery ireo sivily Okrainiana an'arivony nankany Rosia, ary ny fananganana “toby fanivanana”.

Nandray anjara tamin'ny hetsika sy politika manenjika ny mponina Miozolomana ao amin'ny faritra avaratra andrefan'ny Faritra Mizakatena Uyghur ao Xinjiang (XUAR) izay azo sokajiana ho heloka bevava amin'ny maha-olombelona i Shina, firenena matanjaka iray hafa ​​satria iharan'ny fampijaliana, herisetra ara-nofo ary asa an-terivozona ireo voafonja ao amin'ireo antsoina hoe “toby fanarenana”. Ankilan'ireo toby fitazonana, araka ny nambaran'ny tatitra, dia nafindra toerana an-keriny tany amin'ireo orinasa indostrialy manerana an'i Shina, anisan'izany ireo marika malaza eran-tany toa ny Apple, BMW, Nike, ary Samsung ny mponina Miozolomana ao Xinjiang, izay Uyghur ny ankamaroany.

Tovovavy Afghana 14 taona miasa ao amin'ny toby mpitsoa-ponenana Afghana ao Rafsanjan, Iran. Sary avy amin'ny UNICEF Iran tao amin'ny Flickr (CC BY-ND 2.0).

Raha ny amin'i Afghanistan, firenena iray hafa ao amin'ny faritra izay ratsy laza amin'ny fanondranana olona, nitombo be ny risika sy ny habetsaky ny vondron'olona marefo taorian'ny nandrombahan'ny Taliban ny fahefana tamin'ny volana Aogositra 2021, izay namindra toerana olona 900.000 avy hatrany ho any an-toeran-kafa tao anatiny na ivelan'ny firenena. Nanomboka tamin'izay, nihoatra ny roa tapitrisa ny isa ofisialin'ireo Afghana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana tamin'ny firenena manodidina, ka voalaza fa nampiantrano Afghana 200.000 hatramin'ny 600.000 na dia talohan'ny fandrombaham-pahefana aza ny firenena toa an'i  Torkia. Na dia nijotso fatratra aza ny fivelarana ara-toekarena sy ny fiahiana mahaolona taorian'ny fanonganam-panjakana, ny fanondranana olona sy ny famokarana zava-mahadomelina (héroïne) no voalaza fa hany sehatra ara-toekarena roa niroborobo taorian'ny firodanan'ny governemanta Afghana. Efa hatramin'ny volana Jolay 2021 ny Taliban no nanangona ny lisitr'ireo tovovavy maherin'ny 15 taona “hampanambadiana” amin'ireo mpiady Taliban. Araka ny tatitra farany momba ny Fanondranana olona an-tsokosoko, ankizy ny ankamaroan'ny olona voaondrana any Afganistana, satria ankizy 5-17 taona maherin'ny iray tapitrisa no tafiditra amin'ny asa an-terivozona sy fanondranana olona an-tsokosoko, ary “ny ankizilahy no marefo kokoa noho ny ankizivavy amin'ny fanondranana olona”, anisan’izany ny fanararaotana ara-nofo.

Mandritra izany fotoana izany, mbola mihozongozona hatrany noho ny fifandonana sy ny krizy ao amin'ny faritra sy ny manodidina azy ny fihenana kely nefa tsy mitsahatra amin'ny isan'ny tranga ankapobeny sy ireo niharan'ny fanondranana an-tsokosoko manerana ireo firenena ao Azia Afovoany post-Sovietika tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.