
Pikantsary avy amin'ny lahatsary Twitter an'ny Al Jazeera.
Tamin'ity vanintaona mafana ity, marobe ireo firenena niady tamin'ny fepetra ara-toetrandro henjana be ateraky ny olan'ny toetrandro. Tsy afa-bela tamin'io fanamby io i Shina ary dia mizaka onjan-kafanana sy haintany henjana be tsy mbola nisy teo amin'ny tantarany. Na izany aza, ao anatin'ireny loza voajanahary ireny, nanao fitiliana COVID-19 midadasika be any amin'ireo faritra ravarava ilay firenena.
Raha tohina ny tany an-toeran-kafa manerana izao tontolo izao noho ireo fitiliana PCR natao nanerana ny tanàn'i Chongqing, Shina, tamin'ny 24 Aogositra, ary ilay tanàna kosa nizaka haintany, firehetan'ny ala ary maripàna ambony indrindra hatrizay, 45 °C tamin'ity vanintaona mafàna ity, teny anaty tambajotra sôsialy shinoa kosa, nofaritana ho toy ny fanambim-pitiavan-tanindrazana tsy maintsy hihoarana ilay zava-mitranga.
Onjan-kafanana, haintany ary doro tanety
Nandritra ny volana roa mahery, niaina ny onjan-kafanana ratsy indridra teo amin'ny tantarany i Shina. Araka ny voalazan'ny sampandraharaha misahana ny toetrandro ao Shina, teo anelanelan'ny 1 Jona sy 15 Aogositra, 914 ireo toerana fanarahamaso ny toetrandro, izany hoe 37,7 isanjaton'ireo toerana fanarahamaso, no naharakitra 38°C na mihoatra, misy 40°C na ambony kokoa. Voamarik'ireo mpahay toetrandro ihany koa fa toerana 155 no naharaketana an-tsoratra hafanana avo be noho ny taloha. Na antomotra aza ny fararano, mbola mitohy ny toetrandro henjana be ao afovoan'i Shina.
Catastrophic heat in China with dozens of records smashed again on 19 August.
Beibei 45.0C again
Chongqing brutal Tmin 34.9C (highest ever in China in August) and Tmax 43.7C (record)
43.2C Chishui highest ever in Guizhou Province tied
Shanghai AP 40.0C all time high
more down.. pic.twitter.com/cBFBVSU4Nl— Extreme Temperatures Around The World (@extremetemps) August 20, 2022
Hafanana mahatsiravina ao Shina, tamin'ny 19 Aogositra, nihoarana indray ny tarehimarika avo indrindra hatrizay.
Beibei 45.°C indray
Chongqing maripàna ambany indrindra 34.9°C (ny ambony indrindra tao Shina rehefa volana Aogositra) ary maripàna ambony indrindra 43.7°C (ny avo indrindra hatreto)
43.2°C Chishui ny avo indrindra tao amin'ny faritany Guizhou
Shanghai AP 40.0°C tamin'ny fotoana rehetra
pic.twitter.com/cBFBVSU4Nl
Niara-nipongatra tamin'ny hafanana tsy zaka ny haintany sy ny firehetana. Ny faritra tena voa mafy indrindra dia tao Sichuan, Hubei, Hunan, Jiangxi ary Jiangsu, any amin'ny lohasahan'ny Renirano Yangtze, ilay renirano lava indrindra ao Azia ary toerana misy ny toby famokarana herinaratra lehbe indrindra eto an-tany. Ritra ankehitriny ilay renirano:
Shocking pictures from China: World’s third-largest river dries up in drought 👇pic.twitter.com/1rXKa01quq
— Daniel Moser (@_dmoser) August 23, 2022
Sary manohina avy ao Shina: noho ny haintany, ritra ilay renirano fahatelo lehibe indrindra erantany 👇pic.twitter.com/1rXKa01quq
Ity no haintany ratsy indrindra tao Shina hatramin'ny 1961. Niteraka fahatapahana 50 %-n'ny famatsiana angovo azo avy amin'ny riandrano, ary miatrika fahasahiranana amin'ny famatsiana herinaratra i Sichuan, ilay faritany be mponina indrindra ao Shina, satria mafàna be ny andro ary ny fitomboan'ny fampiasana herinaratra dia vao mainka manamafy ny tsy fahampiany:
NEW: China’s Sichuan province activated its highest emergency response to deal with an “extremely outstanding” power supply deficit 🇨🇳 🚨
⚡️ Hot weather and weak hydropower means there isn’t enough electricity
🏭 Power is being diverted from industrieshttps://t.co/4Txad2k9Mx— Stephen Stapczynski (@SStapczynski) August 21, 2022
Nampihatra ny faratampony amin'ny fiatrehany hamehana ny faritany shinoa ao Sichuan mba hiatrehana ny fitontongan'ny famatsiana herinaratra izay tonga amin'ny ” faran'izay miavaka indrindra” 🇨🇳 🚨
⚡️ Ny toetrandro mamay sy fahalefahan'ny riandrano dia midika tsy fahampiana herinaratra
🏭 Navily avy any amin'ireo indostria ny herinaratra https://t.co/4Txad2k9Mx
Ilay haintany anaty vanim-potoana mafana dia efa nanimba sahady toerana fambolena mihoatra ny 2 tapitrisa hektara tao amin'ny faritry ny renirano Yangtze. Rehefa nanakaiky ny vanim-potoana maina, efa naminavina sahady “raho-mitatao goavana” amin'ny vokatra rehefa fararano ao amin'ny firenena ny ministeran'ny fambolena.
The very landscape of Chongqing, a Chinese megacity that also takes in surrounding farmland and picturesque mountains, has been transformed by an unusually long and intense heat wave and an accompanying drought. https://t.co/w2bfGAmYjL
— The Associated Press (@AP) August 24, 2022
Ny tontolo ao Chongqing, tanàna iray lehibe indrindra ao Shina, dia ahitàna ihany koa ireo tany fambolena manodidina sy tendrombohitra tsara tarehy, izay niova noho ilay onjan-kafanana tsy mahazatra sy ny haintany nanaraka azy. https://t.co/w2bfGAmYjL
Ilay toetrandro mafana tafahoatra sy maina dia niteraka firehetana ala marobe, izay ny iray goavana indrindra amin'izany dia nitranga tao akaikin'ny tanànan'i Chongqing tamin'ny 17 Aogositra. Herinandro mahery vao voafehy ny afo.
Filaharana hanao fitiliana PCR sy firehetana ala
Na eo aza ny hafanana migaingaina, ny haitany sy ny firehetana ala, ny tanànan'i Chongqing dia nanaparitaka fitiliana COVID-19 nanerana ny tanàna, tamin'ny 24 Aogositra teo, rehefa nisy tranga 40 voamarina ho COVID-19. Eto ambany ny lahatsary niparitaka be tao amin'ny Twitter mampiseho filaharana hanao fitiliana PCR ao an-tanànan'i Chongqing, miaraka amin'ireo setroka be vokatry ny ala may ery afara:
8月23日重庆,远处是浓烟滚滚燃烧的山火,近处是人山人海排队做核酸。 pic.twitter.com/ds30SuYSrw
— iPaul🇨🇦🇺🇦 (@iPaulCanada) August 24, 2022
23 Aogositra [ 24 Aogositra ao an-toerana], Chongqing. Olona marobe milahatra hanao fitiliana PCR, raha ery afara kosa, hitantsika ny setroka avy amin'ny ala may.
Tranga roa monja voamarina no hita tamin'ireo mponina 10 tapitrisa.
Raha mahatsiravina no fahitan'ireo olona marobe avy any ivelan'i Shina ny zavamiseho, ao amin'ny Weibo indray dia faritana ho toy ny fanamby lehibe kosa ilay fitiliana PCR atao manerana ny tanàna. Ohatra, marobe ireo mpilaza vaovao miorina ao Chongqing no mampiasa ny tenifototra #vitan'ireo mponina ao Chongqing ny mandresy izay rehetra mety ho fahasahiranana# ( #没有一个坎是重庆人过不去的#) rehefa mitatitra momba ireo fitiliana COVID-19 manerana ny tanàna.
Araka izany, nandefasana mpitsabo mba hanampy hanao fitiliana ireo mpamono afo miasa an-tsitrapo. Rongjian, mpiasan'ny media avy any amin'ny tanibe shinoa, nizara saripika iray niely be tao amin'ny Twitter:
经典照片:核酸高于救火! pic.twitter.com/dFrNYAyUJX
— 荣剑 (@rongjian1957) August 26, 2022
Saripika mahazatra: fitialiana PCR mbola maika lavitra noho ny ala may
Raha ny tatitra momba ny ala may, asongadin'ireo mpamoaka vaovao ôfisialy ny asa be herimpo ataon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izay mandeha kodiarandroa mizara vatsy ho an'ireo mpamono afo. Ny ankamaroan'ireo tatitra dia tsy miresaka momba ny ratra sy ny hirifirin'ny olona. Navadika ho fankalazana ny herimpon'ny firenena ilay zava-doza voajanahary, araka ny fijoroana vavolombelona hita anatin'ireo lahatsary sy saripika mampiseho ny ala may ao Chongqing hita ao amin'ny Weibo, toy ity iray ity:

Pikantsary avy ao amin'ny Weibo
#Ireto vahoaka shinoa tsy mampino ireto# #Lahatsary mahatsiravina nalaina avy eny ambony toy ny fijerim-borona mampiseho ireo marobe mpamono afo ao Chongqing#
Ala may, valanaretina, ary fahatapahan'ny herinaratra, tsy mahasakana ny vahoakan'i Chongqing tsy hiray hina. Manondraka menaka i Chongqing. Fanomezana voninahitra ireo izay miady, na inon-kidona, na inon-kihatra