Niverina ny diam-pireharehana Prague rehefa naaton'ny valan'aretina nandritra ny roa taona: Andra-tsary

Diam-pireharehana Prague teo amin'ny kianjan'ny tanàna teo aloha, 13 Aogositra 2022. Saipikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Rehefa niato nandritra ny roa taona, niverina teny an-dalambe ny diabem-pireharehan'i Prague tamin'ny 13 Aogositra, nahasarika olona 60.000 teo ho eo.

Natomboka tamin'ny taona 2011, nitsahatra tamin'ny taona 2020 sy 2021 ny paradim-pireharehana Prague, izay faharoa lehibe indrindra any Eoropa Afovoany aorian'i Varsovia,  noho ny valan'aretina COVID-19, rehefa nentina saimbôlika tamin'ny sambo vitsivitsy teo amin'ny Vltava, reniranon'i Prague.

Na dia manana rakitra mendrika amin'ny zon'ny LGBTQ+ any Eoropa Afovoany aza ny Repoblika Tseky, dia mbola mandà hanome alalana ny fanambadiana ho an'ny mitovy fananahana amin'ny olom-pireneny. Efa tanaty tetika ara-politika ity raharaha ity nandritra ny taona vitsivitsy ary tsy isalasalana fa mbola hipoitra indray mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny Janoary 2023. Tsy nanafina ny fanoherany ny volavolan-dalàna miantoka ny zo mitovy amin'ny fanambadiana ho an'ny rehetra ny filoha ankehitriny Miloš Zeman. Raha tiana ho lany ny lalàna toy izany dia tsy maintsy ankatoavin’ny Antenimierandoholona aloha vao hosoniavin’ny Filoha.

Mifanohitra amin'i Zeman, manohana ny fitovian-jo amin'ny fanambadiana ny firaisankinan'ny governemanta ankehitriny, indrindra fa ny Antoko Piraty. Iray amin'ireo mpanohana azy indrindra ny Ben'ny Tanàna Zdeněk Hřib lehibe ao Prague, izay nanatrika ny diabe tamin'ny 13 Aogositra amin'ny maha-mpiara-dia amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ azy.

Lohahevitra iray hafa hita tamin'ny matso amin'ity taona ity ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina, izay nanosika ny mpikarakara hamindra ny Diabem-Pireharehana Kyiv ho any Varsovia tamin'ity taona ity noho ny olana ara-piarovana. Nisamonimonina tao amin'ireo mpanatrika ihany koa ny fanambaràna nataon'ny Filoha Okrainiana Volodymyr Zelensky tamin'ny 2 Aogositra fa manohana ny hametrahana ho lalàna ny fisakaizan'ny samy lahy na samy vavy ho an'ny Okrainiana izy.

Ireto misy sary vitsivitsy tamin'ny Diabem-pireharehana 14 Aogositra 2022 tao Prague madravaka ny sasany amin'ireo lohahevitra ireo sy ireo karazana vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Prague.

Na okrainiana, na ny rosiana, dia samy fiteny re nandritra ny diabem-pireharehan'i Prague, raha miharihary ny firaisankina amin'i Okraina amin'ity lanonana ity. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

“Mamela hanao i Zelensky” hoy ity afisy ity taorian'ny fanambaràn'ny governemanta okrainiana fa mety ho ampidirina ho ara-dalàna ny firaisan'ny mitovy fitaovam-pananahana. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Russia's action in UKraine is part of the parade's narrative. Photo by Filip Noubel, used with permission.

Tafidtra anaty fitantaran'ny diabe ihany koa ny fihetsika ataon'i Rosia any Okraina. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Nandray anjara tamin'ny dia ihany koa ny fanevan'ny Belarosiana afaka. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny vondrom-piarahamonina LGBTI+ hita ao amin'ny karazany rehetra. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny vondrom-piarahamonina LGBTI+ hita ao amin'ny karazany rehetra, eto miaraka amin'ny faneva goavana eo amin'ny kianjan'i Prague afovoany Wenceslas. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny vondrom-piarahamonina LGBTI+ hita ao amin'ny karazany rehetra. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny vondrom-piarahamonina LGBTI+ hita ao amin'ny karazany rehetra. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny fiarahamonina LGBTQ+ hita ao amin'ny karazany rehetra. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.