Miatrika fandrahonana vaovao ety anaty tambajotra ireo mpikatroka ho an'ny zon'ireo vehivavy iraniàna

Saripika natolotry ny FEMENA

Tamin'ny May 2022, am-polony marobe ireo pejy Instagram an'ireo Iraniàna vavy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona no naharay mpanjohy vaovao an'arivony maro, avy amina mpampiasa tsy fantatra anarana. Ity fitomboana be ny fanjohiana ity dia niteraka ahiahy teny anivon'ireo vondrom-piarahamonina feminista sy mpiaro zon'olombelona,  izay matetika lasibatr'ireo fanafihana tohanan'ny fanjakàna. Maro no manahy hoe tetikady ataon'ireo mpisehatra avy ao anatin'ny governemanta iraniàna io mba hidirana an-tsokosoko amin'ny pejin-dry zareo miaraka amin'ireo raboto, na hanararaotana ny rafitra fitorohana ao amin'ny Instagram mba hanatsaharana ny kaontin-dry zareo. Ireo pejy rehetra lasibatra dia mpiresaka zon'ny vehivavy sy ny olan'ireo LGBTQI+ daholo, ny sasany avy ao amin'ny firenena ihany ary ny hafa any ivelany. Nanomboka teo, ireo mpikatroka maro izay manana kaonty mahataka-davitra dia nanapaka hevitra daholo hamadika ny pejiny ho “manokana” (privé). Ny filam-baniny an-tambajotra tahaka izany dia fihitaran'ireo fakàna am-bavany sy filam-baniny ety ivelany atrehan'ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy hatry ny taona marobe ary mitranga ao anatina andiam-pisamborana tsy ela akory izay.

“Rahonan-dry zareo sy ampanantsoiny ho alaina am-bava ny ankamaroan'ireo mpitantana kaonty izay mipetraka ao amin'ny firenena, ary ankehitriny dia iharam-panafihana ireo pejy Instagram ireo, saingy tsy hitsahatra izahay,” hoy ny iray amin'ireo mpikatroka ho an'ny zon'ny vehivavy izay tsy ela akory izay ny pejiny no nisy nanao lasibatra.

Tsy vao sambany izao ny hoe niharam-panafihana voarindra tety anaty tambajotra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy iraniàna. Nandritra ireo taona vitsy farany, nisy fitomboana be tsikaritra ny filam-baniny ety anaty aterineto atao amin'ireo Iraniàna mpikatroka. Naka endrika kabarim-pankahalàna sy fandrahonana herisetra mivantana, amin'ny ankapobeny manomboka amin'ny kaonty tsy fantatra anarana, na kaonty omena anarana fako ao amin'ny sehatra media sôsialy toy ny Instagram sy Twitter.

Saingy, ao Iràna, ny fanafihana tahaka izany ety anaty tambajotra dia toy ny mametaka lefona eo an-damosin'ireo mpikatroka ary mety hitondra mankany amin'ny fiantraikany hita maso. Tanaty tranga maro, ireo filam-baniny voarindra ety anaty tambajotra no nisava làlana ireo fampiantsoana nataon'ireo masoivoho misahana ny fandriampahalemana ary hatrany amin'ny fanasaziana hiditra am-ponja. Tsy mitondra ireny fandrahonana an-tambajotra ireny any amin'ireo manampahefana ny maro amin'ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy ao amin'ny firenena satria tsy mazavasy tsy manohana azy ny fametrahana fitoriana araka ny lalàna, ary noho ny lahatsoratra nosoratany tety anaty tambajotra sôsialy dia mety ho voatazona na hohenjehana ireo mpiaro zo.

Araka izany, ny hany azon'ireo Iraniàna mpikatroka iantorahana mba hiadiana amin'ireo fanafihana ety anaty tambajotra dia ny fampiasàna ireo rafitra fametrahana fitoriana ety anaty sehatry ny media sôsialy sy, raha tsy mahomby izany, ny fanakatonana ny kaontin-dry zareo na ny mamadika azy ireny ho “azy manokana”. Raha izany no jerena, manana andraikitra goavana ireo orinasa mpitantana media sôsialy toy ny Instagram sy Twitter amin'ny fiarovana ireo Iraniàna mpikatroka sy mpampiasa azy.

Misy lesoka lehibe ny rafitra fitorohana ao amin'ny Instagram ho an'ireo Iraniàna mpikatroka miatrika ny fanafihana an-tserasera, izay miatrika fanorisorenana isankarazany, isan'izany ny filam-baniny ara-nofo, ny fampijaliana ary ny fisolokiana anarana. Misy ihany koa indraindray ny fanafihana voarindra atao azy ireo, izay manararaotra tafahoatra ny rafitra fametrahana fitorohana amin'ireo sehatra media sôsialy sy ahafahan'ireo masoivoho misahana filaminana mamafa ny kaontin'ireo mpiaro zo. Be pitopitsony be ireny hetsika ireny ary, amina tranga maro, dia manararaotra ny tsy fahatomombanana hita amin'ireny sehatra media sôsialy ireny.

Manoloana io toejavatra io, miharihary fa ny olana fototra dia ny tsy fahampian'ny fifandraisana eo amin'ireo Iraniàna mpikatroka sy ireo orinasa goavana misahana media sôsialy. Mila manaraka ny pôlitikan'ny governemanta iraniàna ireo orinasa misahana media sôsialy sy teknôlôjia, satria mety ho azo atao fomba fitarihan-dàlana ireny pôlitika ireny hiadiana amin'ireo fanafihana tohanan'ny fanjakàna hampelezana ireo mpampiasa, indrindra fa ireo mpiaro zo. 

Ireo sedra sy fahoriana atrehan'ireo Iraniàna mpikatroka mpiaro zon'ny vehivavy iraniàna dia tonga indrindra ao anatina vanim-potoana iray izay tena iankinany betsaka amin'ny aterineto mba hampitàna ny feon-dry zareo. Nandritra ny taompolo maro no tsy nitsahatra nametrahana fanontaniana ny momba ny zon'ny vehivavy ao Iràna. Isanandro ireo vehivavy iraniàna no mahafantatra ny fisiana volavolan-dalàna vaovao, lalàna vaovao na didim-panjakana vaovao avy amin'ny governemanta izay mamoritra ny fahalalahan-dry zareo na mitady ny hampiverin-dàlana ireo tombontsoa sôsialy efa azon-dry zareo. Ohatra, tamin'ny Novambra 2021, nankatoavin'ny Filankevitry ny Mpiambina ao Iràna ny lalàna iray fantatra amin'ny anarana “Famerenana ny hatanoran'ny Vahoaka” izay manohintohina be ny fahasalamana ara-pananahan'ireo vehivavy sy ny fizakantena ara-batan-dry zareo amin'ny faneriterena ny fahafahana miditra amin'ny fandrindrana fiterahana, mandràra bebe kokoa ny fanalàna zaza ary mandràra hatramin'ny fanaovan'ireo vehivavy bevohoka ny fitiliana alohan'ny fiterahana. Ankoatra izany, ataon'ireo mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakàna lasibatra foana ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy, amin'ny fakàna am-bavany, ny fitazonana ary hatramin'ny fanomezana sazy fampidirana am-ponja maharitra ela. Vehivavy marobe mpiaro zon'olombelona miasa amin'ny sehatra midadasika be ho fiarovana ny zon'ny vehivavy, ny zon'ny mpiasa, ny zon'ny ankizy, ny fahafahana mahazo vaovao, ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, sns… no efa nohelohina higadra na efa manefa sazy lavabe any am-ponja ary mitombo hatrany ny isan'izy ireny.

Manoloana ny famoretana tahaka izany, sy ny famoretana tsy mitsahatra ataon'ny governemanta, voatery ireo vehivavy mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy mampihena ny hetsika ataony eny amin'ireo habaka hita maso ary miantehitra bebe kokoa amin'ireo tambajotra sôsialy mba hanaovana fanentanana sy hamoronana fanetsiketsehana ny fitakian-dry zareo. Indrindra indrindra, miantehitra amin'ny Instagram ireo vehivavy mpikatroka feminista, izay iray amin'ireo sehatra media sôsialy malaza indrindra ao Iràna, sy tsy mbola nobahanan'ny governemanta aloha hatreto. Miankina be amin'ny Instagram ireo mpikatroka mba hanairana ny saina momba ny fanavakavahana noho ny mahalahy na mahavavy, hisorohana ireo filam-baniny ara-nofo eny amin'ireo habaka natao ho an'ny daholobe sy any amin'ny toeram-piasàna, ary hampiroboroboana ny rariny ara-pananahana sy ny zon'ny vehivavy amin'ny vatany. 

Tsy atao mahagaga, ny fikatrohana an-tambajotra dia tsy leferin'ny governemanta iraniàna ihany koa, izay tsy nikely soroka ary nandritra ny taompolo maro mba hanakatona sy haneritery ireo habaka natao ho an'ny daholobe. Ny farany indrindra tamin'ny fanaovana lasibatra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ireo fikambanana vehivavy ao amin'ny Instagram, toerana izay nahitàna fangatahana fanjohiana tsy hita noanoa, dia nalefa tany amin'ireo kaontim-behivavy mpiaro zon'olombelona sy ireo fikambanam-behivavy, ary mifanaraka tsara amin'ireo fanaovana lasibatra tany alohany nataon'ny governemanta sy ireo fitorohana an-tambajotra an'ireo mpikatroka. Nandritra ny taona maro, marobe ireo mpikatroka ka isan'ireny ireo fikambanam-behivavy na ireo mpikatroka ho an'ny zon'ny vehivavy, no tratry ny fanakatonana kaonty taorian'ny fitorohana faobe, na nihena ny mpanjohy azy tao amin'ny Instagram noho ireo “fandraràna matoatoa”, izay tsy naseho ny tantarany no sady tsy afaka nipoitra tao amin'ny lohamilina fanaovana fikarohana ny lahatsoratr'izy ireo taorian'ny fitorohana faobe natao momba ny kaontiny. Nefa ny fanaovana lasibatra avy amin'ny governemanta dia tsy nanakana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy tsy hanohy ny fikatrohany ety anaty tambajotra, ary raha vao afaka manao izany eny amin'ny fiainana hita maso koa aza. Ho setriny, nampitombo ny ezaka ataony ireo hery avy amin'ny fanjakana mba hahatonga ireo mpikatroka tsy ho afa-mihetsika sy hanampenam-bava azy ireny.

“Raha tetezinao ireo fahana rehetra ao amin'ny media sôsialy, dia hahatsikaritra ianao fa tena mihamafy tsy toy ny hatrizay ireo feon'ny feminista sy ireo momba ny zon'ny vehivavy, ary izany no antony anafihan'ny governemanta anay amin'izao fotoana izao, mba hampanginana ny feonay, saingy tsy hitsahatra izahay,” hoy ny nambaran'ny mpikatroka iray ho an'ny zon'ny vehivavy izay lasibatry ny fanafihana vao haingana ny pejiny.

Ho setrin'ireny fivoaran-draharaha ireny, tamin'ny 25 Jolay 2022, maromaro ireo vondrona mpiaro zo no nangataka tamin'ny Meta, orinasa renin'ny Instagram, mba hiaro ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy iraniàna sy hiaraka hiasa amin'ny firaisamonim-pirenena sivily iraniàna mba hamoronana sehatra azo antoka kokoa.  Eny tokoa, azon'ireo orinasa media sôsialy atao ny mihetsika mavitrika amin'ny fametrahana mivantana fantsona fifandraisana miaraka amin'ireo firaisamonim-pirenena sivily iraniàna mba hisian'ny fahatakarana bebe kokoa ny filàn'ireo firaisamonim-pirenena sivily iraniàna, ny votoatin'ny media sôsialy ao Iràna ary ny fomba ataon'ny governemanta hamoretana ny firaisamonim-pirenena sivily eny anaty sehatra an-tambajotra. Ny fantsona iray mivantana tahaka izany dia mety hanampy ireo orinasa teknôlôjika hisoroka ny fanampenam-bava ireo Iraniàna mpikatroka eny anatin'ny sehatr'izy ireo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.