Japoney mpanao gazety, notazonin'i Myanmar fa nandrakitra hetsipanoherana

Release Toru Kubota screenshot

Mpanatrika famoriambahoaka tao Tokyo mitazona sorabaventy mitaky ny hamotsorana an'i Kubota Toru. Pikatsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny MizzimaTV.

Japoney iray mpamokatra sarimihetsika fanadihadiana no sady mpanao gazety, Kubota Toru, no voasambotra tao Yangon, Myanmar tamin'ny 30 Jolay raha teo ampandrakofana hetsika iray fanoherana ny “junta”.

Nampangain'ny fitondrana jadona miaramila ao Myanmar i Kubota ho manao fihantsiana sy manitsakitsaka ireo fepetra momba ny vizà (visa) sy ny fifindramonina. Taorian'ny nanombohan'ny fitsaràna azy tamin'ny 16 Aogositra, nilaza ireo manampahefana fa mbola eo am-pandinihana ny fametrahaa fiampangàna fanampiny ry zareo hanenjehana ilay mpanao gazety noho ny fanitsakitsahana ny lalànan'ny elektrônika ao amin'ny firenena.

Voalaza fa any amin'ilay fonjan'i Insein diso malaza be ao Myanmar i Kubota no tànana. Mbola tsy mandeha ny kaontiny Twitter hatramin'ny nialohan'ny nanagadràna azy. Hatreto, vondrona isankarazany sy olontsotra maro no mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Kubota.

Tany aloha i Kubota dia efa niaraka niasa tamin'ny Yahoo! News Japan, Vice Japan, ary Al Jazeera English, ary koa namokatra sarimihetsika fanadihadiana marobe momba ny zava-manjo ireo Rohingya, foko iray ilàna vaniny ary tsy ankatoavin'ny ao Myanmar.

Taorian'ny nakàny ny fahefana rehefa nanao fanonganam-panjakàna tamin'ny Febroary 2021, nametraka faneriterena tamin'ny fanangonana vaovao tao amin'ny firenena ny tafika tao Myanmar. Ampolony maro hatreto ireo mpanao gazety voasambotra noho ny filazana azy ireny ho manohana ireo hery mpandàla ny demaokrasia. Kubota no vahiny mpanao gazety fahadimy nosamborin'ny “junta”. Kitazumi Yuki, Japoney iray hafa mpamokatra sarimihetsika,  dia notàzonina nandritra ny 25 andro talohan'ny namotsorana azy tamin'ny May 2021.

Taorian'ilay fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tao Myanmar tamin'ny 2021 sy ny herisetra naterany,  nanome toky ampahibemaso ny governemanta japoney fa hanapaka ny fifandraisany amin'ilay firenena. Na izany aza, mbola misy fifandraisan lalina tavela. Manohy mampiasa vola any Myanmar ireo vondron'orinasa japoney, raha i Japàna kosa manohy manome fofanana ho an'ny tafika ao Myanmar .

Ny Fikambanana Japàna-Myanmar, manana ny biraony ao Tokyo, dia nandà tsy haneho hevitra momba ny fitazonana an'i Kubota sy ireo fanitsakitsahana zon'olombelona hafa, no sady manohy ihany mampiroborobo ny fampiasàna vola ao anatin'ilay fitondrana jadona miaramila.

Mpikambana iray ao amin'ny antenimiera Japoney, Watanabe Hiromichi, no nitsidika an'i Myanmar tamin'ny 12 Aogositra ary nihaona tamin'ireo mpikambana ao amin'ny tafika sy ny tariny mitondra ny firenena, isan'ireny i  Min Aung Hlain, misahana ny toeran'ny lehiben'ny fibaikoana ny tafika sy filoha  tsy voafidy hitarika ny governemanta.

Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook, nilaza i Watanabe fa velom-panantenana amin'ny mety hamotsorana tsy ho ela an'i Kubota:

[…] 今回の訪問の最大の目的は、ミャンマーで拘束されている久保田徹さんの即時解放に向けてミンアウンフライン暫定首相に直談判するためです。
ミャンマーとは、二十数年らいの関わりのある私にとってはじめての大仕事です。暫定首相からは、「近いうちに解放する」「その日時について後日連絡する」とのことでありました。
速やかに解放されることを信じています。
なお、ミャンマーのヤンゴン、ネピドーの現況は平穏な生活を送っているようでした。

[…] Ny tena tanjon'ny fitsidihako dia ny nifampiraharaha nivantana tamin'ny praiminisitra mpisolo toerana, Min Aung Hlaing, momba ny famotsorana avy hatrany an'i Mr. Toru Kubota, izay voatazona ao Myanmar. Io no tena resaka matotra natrehako tato anatin'ny roapolo taona nifandraisako tamin'i Myanmar. Ny praiministra mpisolo toerana ao Myanmar [Min Aung Hlain] nilaza fa mety ho avotsotra tsy ho ela i  Kubota, ary hampahafantatra ahy [Min Aung Hlain] momba ny daty sy fotoana atsy aoriana kely. Mino aho fa tsy ho ela dia ho votsotra i Kubota. Fanampin'izay, toa milamina ihany ny toedraharaha ankehitriny ao Yangon sy Naypyidaw [renivohitr'i Myanmar].

Tsy mbola mazava anefa raha hitohy ireo fitakiam-bahoaka hanatsoahana ny fiampangana an'i Kubota. Taorian'ny fitsidihan'i Watanabe, nilaza ihany koa ny “junta” ao Myanmar fa eo am-pandinihana vesatra misimisy kokoa anenjehana an'i Kubota.

Nanomboka fanangonantsonia iray ety anaty tambajotra i Uchiyama Naoki, naman'i Kubota, manainga ny governemanta japoney hiantoka ny famotsorana avy hatrany an'ilay mpamokatra sarimihetsika. Nohazavainy ihany koa fa ny fanadihadiana nataon'i Kubota dia nifantoka tamin'ny ” fahatsapan'ny lehilahy Birmana iray ho manirery” ary laviny ny hoe miresaka “korontana pôlitika” ilay izy.  Araka ilay fanangonantsonia nataon'i Uchiyama:

Ny tanjon'ny fitsidihany an'i Myanmar dia ny handrakitra sarimihetsika fanadihadiana iray efa niasàny nandritra ny taona maro fa TSY noho ny fikorontanana pôlitika. Efa maherin'ny aman-polony no nandeha nanao tafatafa tany Myanmar i Toru ary efa voaomana mialoha hatrany ny drafitra amin'ny antsipirihany.

Ireo vondrona PEN International any amin'ny firenena samihafa dia nanjohy ny rantsana PEN ao Japàna tamin'ny fitakiana amin'ny governemanta ao Myanmar  hanafaka an'i Kubota sy ireo hafa mpanao gazety notazonina noho ny fanatanterahan-dry zareo ny asany fotsiny. Kirino Natsuo, filohan'ny International PEN Japan Pen Club, nilaza hoe:

Takianay ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ireo mpanao gazety ao Myanmar ary any ivelany. Ary manainga ny governemanta japoney sy ny vondrompiarahamonina iraisampirenena izahay mba hanao hetsika avy hatrany hiantohana fa tsy hisy hampanahy ny amin'Ing. Kubota.

Nisy hetsibaoaka marobe tao Japàna ho fanohanana an'i Kubota, ary hitakiana ny famotsoran'ny fitondrana jadona miaramila ao Myanmar azy:

Andiana mpikatroka mitazona takelaka misy ny sarin'ilay teratany Japoney Toru Kubota, izay voatazona ao Myanmar, nandritra ny famoriambahoaka iray teo anoloan'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany ao Tokyo, ny 31 Jolay 2022. Philip FONG / AFP#ToruKubota#Myanmar pic.twitter.com/mqKAxlRGEd

Nisy hetsipanoherana iray nokarakaraina teo anoloan'ny Masoivohon'i Myanmar ao Japàna hanehoana fanohanana an'ilay mpanao gazety voatazona. Nanatrika ilay hetsipanoherana ireo naman'i Kubota sy ireo teratany avy ao Myanmar nitaky ny famotsorana ilay mpanao gazety.

Ity lahatsary tatitra ity, nataon'ny vondrona media tsy miankina Mizzima, dia manome ireo fotoana goavana tamin'ilay hetsika fanoherana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.