Any Tiorkia, ampiasaina hanivanana ny votoaty an-tserasera ny soatoavina ara-pivavahana

Sary an'i Alexander Shatov. Fampiasàna maimaimpoana miaraka amin'ny lisansa Unsplash.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, ampitomboin'ireo tomponandraikitra Tiorka hatrany ny sivana amin'ny votoatiny  anaty tambajotra ka tsy mifanaraka amin'ny soatoavina ara-pivavahana, ara-moraly sy ara-pianakaviana ao Tiorkia. Ny fanadihadiana nataon'ny Lehiben'ny Fampanoavana tao Istanbul mikasika ny Spotify no ohatra vao haingana indrindra.

Nolazain'ilay birao  fa nankatoavin ‘ilay sehatra fandefasana mozika ireo lisitra voalahatra holalaovina,  izay “manivaiva ny soatoavina ara-pivavahana sy ireo tomponandraiki-panjakana”. Araka ny tatitra, natao taorian'ny “naharaisan'ny Foibem-Pifandraisana ao amin'ny Lapam-panjakana ireo fitarainana marobe ny fanapahan-kevitra hanomboka fanadihadiana, izay milaza fa ireo lisitra dia mamporisika ny fankahalàna finoana Silamo amin'ny alalan'ny faniratsirana ny soatoavina ara-pivavahana sy ireo tomponandraiki-panjakana.”

Isan'ny hita tao anatin'ny aarana tamin'ilay lisitra “ireo Hira fihainon'i Recep Tayyip Erdogan eo ampisotroana raki“, “Hira nohenoin'Andriamanitra teo ampanipazana an'i Adama avy any an-danitra“, “Hira henoin'ny mpaminany Ali eo am-pamiliana fiara mandeha mafy” ary podcast iray mitondra ny lohateny hoe “Devlet Bahceli Hotel concept [mpitarika ny Antokom-Bahoaka Nasiônaly] , Fitiavana miaraka amin'ny zazavavy iray manao fehikibo Shakira,” araka ny fanadihadian'ny Bianet. Tsy dia ireo hira loatra akory, fa ny anarana lisitra holalaovina no maha-tezitra ireo tomponandraikitra.

Manamafy ny biraon'ny Fampanoavana fa nanaiky ireo anarana lisitra holalaovina ny Spotify, saingy araka ireo fitsipiky ny Spotify dia afaka mamorona lisitra famakiana marobe ny mpampiasa tsirairay araka izay tiany tsy mila fankatoavana na fanarahamaso avy amin'ny Spotify.

Nisy mpampiasa Twitter iray nizara ny anarana tamina lisitra filalao iray hafa ihany koa, anisan'izany ny hoe “Feon-dakolosin'Andriamanitra,” na ny “Tsy ren'i Eva ny antson'Andriamanitra mikasika an'ireo voankazo voarara satria nihaino ity lisitra filalao ity izy“.

Ny hafa nihanihany mikasika ireo sehatra hafa manaraka :

⏰😸windows, excel sy winzip no manaraka!

Matahora anay!

Niatrika fanadihadiana ny Spotify mikasika ny “fanevatevana ny soatoavina ara-pivavahana sy ireo tomponandraikim-panjakana”. Nampanao fanadihadiana ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Istanbul anenjehana ny Spotify noho ireo anarana anatina lisitra filalao.

mazava ho azy, hanadihady ny Spotify izahay rehefa tsy manana olana intsony noho ny rafi-pitsarana miavakay.

Nianatra ny lesony tamin'ny hatsikan'ny andiantaranaka Z i Spotify tamin'ny famoronana ireo lisitra filalao. Tsy maintsy ho tohina mafy ireo mpitantana azy satria mety io no voalohany niatrehan'izy ireo fanadihadiana tahàka izao.

Tsy vao voalohany izao no namaivay ny nahazo ny Spotify tao Tiorkia. Tamin'ny volana May 2021, noterena ilay sehatra hanala  “votoatiny tsy mety” tao amin'ny tranokalany. Tao anaty antsafa iray niarahana tamin'i ArabNews, Cathryn Grothe, mpiara-miasa amin'ny fikarohana ao amin'ny Freedom House, no nanambara fa “ireo tolotra streaming toa ny Spotify dia mamorona habaka tokana hahafahan'ny olona maneho hevitra, mampifanakaiky azy amin'ireo havany sy ireo namany ami'ny alàlan'ny mozika na ny podcasts ifampizarana, ary mandray anjara amin'ny olana manan-danja isan-karazany, anisan'izany ny zon'olombelona sy ny politika.”

Pikantsary tamin'ny fampahafantarana ôfisialin'ny Netflix ny Jurassic World Camp Cretaceous, tao amin'ny YouTube.

Mbola tamin'ny volana Aogositra 2022 ihany koa, nandefa fanadihadiana iray momba ilay sarimiaina Jurassic World Camp Cretaceous an'ny  Netflix ny Lehiben'ny Sivana ao amin'ny Filankevitra ambony an'ny Onjam-peo sy Fahitalavitra Tiorka (RTÜK). “Vonona izahay ny tsy hamela ireo votoaty mety hisy vokany ratsy amin'ireo zanatsika sy ireo tanorantsika no sady tsy miraharaha ny soatoavintsika”, hoy bitsiky ny lehiben'ny RTÜK, Ebubekir Sahin. Toa hoa manasongadina an'ireo LGBTQ+ ireo mpilalao ao.

Tamin'ny desambra 2021, nampandoa onitra ny Netflix ny RTÜK noho ny sarimihetsika “Arakaraky ny maha-adala antsika”, tamin'ny fanamafisana fa vetaveta ny zava-miseho sy ireo mpilalao. Nanambara ny lehiben'ny sivana fa “mifototra amin'ny tantara foronina ilay sarimihetsika izay tena iainana ao anatin'izany ny firaisan'ny lahy samy lahy ny vavy samy vavy, ny firaisana ara-nofon'olom-pady sy ny fifanakalozam-bady”. Ho fanampin'ny fandoavana lamandy, nasaina nesorina tao anaty vovonany tao Tiorkia ihany koa ilay sarimihetsika.

In 2Tamin'ny 2020, nilaza ny Netflix fa tsy hiroso amin'ny famokarana ao an-toerana ny sarimihetsika iray mitondra ny lohateny hoe “Raha sanatria ka” (Simdiki Aklim Olsaydi), satria tsy neken'ny RTÜK ny rindran-tsehatra iray amiun'ilay fandaharana izay pelaka ny iray tamin'ireo mpilalao.

Tamin'ny 2019, nomena fahefana hanara-maso ny fampielezana sary sy feo anaty tambajotra ny RTÜK, manomboka amin'ny sehatra misy fangatahana toy ny Netflix ka hatramin'ny fandefasana tsy tapaka sy/na voalahatra amin'ny tambajotra ataon'ireo mpamokatra sarimihetsika avy any an-tranony. Nanomboka teo, tsy maintsy manana fahazoandàlana avy amin'ny RTÜK ny fampielezam-peo anaty tambajotra, izay midika fa na sivanin'ilay sampan-draharaha ny votoatiny na tsipahany izay votoaty tsy ankasitrahany. Tamin'io taona io ihany, nangataka fahazoandàlana ny Netflix, raha toa ny Spotify nanao izany ny volana Oktobra 2020 taorian'ny nandrahonan'ny RTÜK hibahana azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.