Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

15 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 15 Janoary 2019

Ny fanarahamaso niomerika ao Angôla sy ireo firenena hafa afrikàna “tsy dia manao ahoana loatra”

GV Mpisolovava

Toa lasa nitafy fahalinana goavana ho an'ireo mpikaroka ny fahitàna any amin'ireo firenena lehibe ao Afrika ireny rindrambaiko ratsy fanahy sy teknolojia hafa "mora vidy" natao ho fanarahamaso ireny. Saingy ahoana ny amin'ireo firenena izay, raha jerena amin'ny fihevitr'ireo tandrefana, dia heverina ho "tsy dia manao ahoana loatra"?

Rosia: Bilaogera ao Kemerovo iray hafa notoriana noho ny fanalam-baraka

GV Mpisolovava

Nanomboka ny raharaha heloka bevava nanenjehana an'i Alexander Sorokin monina ao Kemerovo (aka mpisera LJ commentator40), hoy ny tatitra [RUS] avy amin'ny Echo Moskvy. Voampanga ho nanala baraka ny governoran'i Kemerovo, Aman Tuleev [EN] tamin'ny lahatsoratra [RUS] izay nampitaha ny governoram-paritra Rosiana tamin'ireo mpanao didy jadona Amerikana Latina i Sorokin.

Rosia: Tranonkala nakatona noho ny baikon'ny polisy

GV Mpisolovava

20marta.ru, tranonkalan'ny mpanohitra natokana hitantarana momba ny  “Andron'ny Fahatezerana” natao tamin'ny 20 Martsa no nakaton'ny polisy iray andro monja taorian'ny nisokafany, araka ny notaterin'ny kasparov.ru.

Arabia Saodita: Tonga mamonjy manoloana ny todra-drano ny tanoran'i Jeddah

Taorian'ny  tondra-drano namely an'i Jeddah tamin'ny faran'ny volana Janoary, nampiasa tranonkala tambajotra sosialy ny tanora taranaka Saodiana mba hanampy amin'ny hetsika fanavotana amin'ny alàlan'ny fanomezana fanampiana, fialofana, sakafo na fitaterana ho an'ireo izay niharan'ny orana.

Zambia: Rahonan'ny zanakalahin'ny filoha ny mpanao gazety, “Matinay ialahy”

GV Mpisolovava

Sady voadaroka no norahonan'i Kazim Sata zanakalahin'ny filoha, dia mbola hiatrika fitsaràna noho ny raharaha lazaina fa mampifamatotra azy amin'ny tranonkala Zambian Watchdog i Thomas Zgambo, mpanao gazety tsy miankina. [...] tokony ho tsaroany fa ho avy ny fotoana izay tsy hananany mpiambina manokana intsony...

Taonan'ny tolona ara-politika sy fanehoana firaisankina tsy nampoizina tao Amerika Latina

Fifidianana, fifindramonina, fanohanan'ny fiarahamonina sy ny tolona ara-tsosialy. Fanamby atrehin'ny Amerika Latina sy ny vahoakany.

Hetsipanoherana manameloka ny fanemorana indray ny fifidianana ao Thailand

Nitodika any amin'ny Tiwtter ireo mpianatra Thai ary ireo mpikatroka kosa nikarakara hetsipanoherana taorian'ny fanambaràna nataon'ny governemanta tohanan'ny tafika fa hoe hisy fanemorana hafa indray ny fifidianana.

Nosakanan'i Bahrain ireo tranonkala manakiana ny governemanta

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) “Nanao fanentanana manohitra ireo tranonkala miaro ny zon'olombelona sy ara-politika, izay mitsikera ny politikan'ny governemanta ny manampahefana Bahrainita”, araka ny tatitra  nataon'ny Fiarahamonin'ny Tanora ao Bahrain ho an'ny Zon'Olombelona izay nanome ny lisitr'ireo vohikala voasakana, ireto avy izany : Foibe...

Shina: Voafonja nandritra ny efa-taona ilay mpanohitra an-tserasera

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nogadrain'ny Fitsarana Shinoa any amin'ny faritany atsimo-atsinanana Zhejiang i Chen Shuqing, mpanoratra an-tserasera sady mpikambana mpanorina ny Antoko Demaokraty Shinoa voarara, nandritra ny efa-taona noho ny fiampangana azy ho “nandrisika hamilivily ny fahefam-panjakana.” ” Tena tsy mety ny fanamelohana...

Nosakanan'i Torkia ny sehatra famahanana bilaogy malaza WordPress.com  

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Voasakana tao Torkia ny sehatra malaza sy maimaim-poana, famahanana bilaogy WordPress.com ary ireo izay mikasa ny hitsidika izany dia nahita ity hafatra ity: ” Naato araka ny fanapahan-kevitra laharana faha : 2007/195 Fitsarana Sivily Ambaratonga Voalohany TC Fatih 2 ny fidirana...