Nosakanan'i Torkia ny sehatra famahanana bilaogy malaza WordPress.com  

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voasakana tao Torkia ny sehatra malaza sy maimaim-poana, famahanana bilaogy WordPress.com ary ireo izay mikasa ny hitsidika izany dia nahita ity hafatra ity: ” Naato araka ny fanapahan-kevitra laharana faha : 2007/195 Fitsarana Sivily Ambaratonga Voalohany TC Fatih 2 ny fidirana amin'ity tranokala ity.”

Tsy fantatro hoe manana rindrin'afo lehibe tahaka an'i Shina i Torkia. Tena mampalahelo izany satria manana vondrom-piarahamonina Tiorka tena mavitrika izahay izay mahazo jeripejy eo ho eo amin'ny 12 tapitrisa eo ho eo isam-bolana, “hoy ny mpanorina mpamolavola ny WordPress, Matthew Mullenweg .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.