Arabia Saodita: Tonga mamonjy manoloana ny todra-drano ny tanoran'i Jeddah

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2011)

Taorian'ny  tondra-drano namely an'i Jeddah tamin'ny faran'ny volana Janoary, nampiasa tranonkala tambajotra sosialy ny tanora taranaka Saodiana mba hanampy amin'ny hetsika fanavotana amin'ny alàlan'ny fanomezana fanampiana, fialofana, sakafo na fitaterana ho an'ireo nahazo takaitra tamin'ny orana.

Ilaina ny Facebook

Tao amin'ny Facebook, pejy maherin'ny dimy no noforonina mba hanapariahana ny teny sy hitadiavana ireo liana amin'ny fanampiana, etsy ambany ny sasany amin'ireo pejy ireo.

Namoaka ny sarintanin'ny tanàna ny pejy Vaovao momba ny Orana sy ny Fahanginan'ny Fanjakana ao Jeddah [Ar], manasongadina ireo faritra atahorana.

Manome vaovao farany hatrany ho an'ny rehetra ny Fanentanana Nasionaly ho Fanampiana ny Tanànan'i Jeddah amin'ny alàlan'ny famoahana horonan-tsary sy sary avy ao an-tanàna.

Ankoatra izany dia natsangana ny angon-drakitra hanangonana vaovao momba ireo olona tsy hita sy mila fanampiana. Azon'ny rehetra jerena ny afa-manampy ny angon-drakitra. Manana pejim-piondanana Facebook ihany koa ny tranonkala, mba hanangonana mpilatsaka an-tsitrapo betsaka araka izay tratra.

Twitter hanampiana

Ankoatra izany, nampiasa ny siokan'izy ireo ny mpisera Twitter Jeddah mba hanavotana ireo mila fanampiana, na hanaparitaka ny teny amin'ny tenirohy #Jeddahrain sy #Jeddahhelp.

Tanora Jeddah miezaka manaisotra olona iray ao anaty rano

@Thamer1 indray mitady olona manana traikefa ara-pitsaboana:

اي شخص لديه خبره طبية سواءً مسعف أو ممرض في إعطاء إبر تيتانوس يعطينا رد #JeddahRain #JeddahHelp
Anyone with medical experience either a doctor or a nurse who can give shots please reply.

Misy olona manana traikefa ara-pitsaboana na dokotera na mpitsabo mpanampy ve afaka manampy, valio azafady

Manoro hevitra ireo maratra kosa i @ateedalrai:

#JeddahRain للجرحى من اثار المطر التوجه الى اقرب مستوصف وان صعب الحال الى اقرب صيدليه مع تطهير الجرح وعدم الانتظار .. مطهر كاليود

Ho an'ireo izay naratra tamin'ny todra-drano, mandehana any amin'ny toera-pitsaboana na fivarotam-panafody akaiky anao indrindra mba hitsaboana ny ratranao. Aza miandry fotoana fa ataovy haingana araka izay azo atao. Afaka mampiasa fanadiovana fery tahaka ny iodine koa ianao.

Ny hafa nampiasa Twitter mba hiantso mpilatsaka an-tsitrapo

@ESL4ALL
For those who want to volunteer or report a missing person or help with anything check here http://www.jeddahguide.net/ #jeddahrain

Ho an'ireo izay te hanao mpilatsaka an-tsitrapo na hitatitra momba ireo olona tsy hita na hanampy amin'izay tokony atao, dia midira ato  http://www.jeddahguide.net/ #jeddahrain

@Hussam_Albugami
نحتاج أطباء وطبيبات متخرجين وممارسين للخدمة الطبية .. عاجل جدا التواجد في مركز الحارثي للمعارض

Mila dokotera za-draharaha miasa eny an-kianja izahay, maika be. Tongava ao amin'ny foibe Alharthy

Nisy koa ireo sioka nanomboka nanaparitaka laharana antsoina vonjitaitra:

@Azzahraani
#JeddahRain تم تخصيص الرقم المجاني الموحد لاستقبال اتصالات المتبرعين والمتضررين 920001424 ريتويت
Please call the free number 920001424 to volunteer or to get help. Retweet.

Antsoy azafady ny laharana maimaim-poana  920001424 raha te-hanao asa an-tsitrapo na hahazo fanampiana. Aparitaho

@Fainakcom
أرقام طلبات الإغاثة وحالات الطوارئ في الإمارة 6737000 – 6609987 – 6600880 تحويلة 240 – 242 #Jeddah #JeddahRain #JeddahHelp #انشر-تشكر
Emergency numbers for relief and rescue are 6737000 – 6609987 – 6600880, ext 240 – 242 Please spread the word.

Laharana vonjimaika ho an'ny fanavotana sy fanampiana:  6737000 – 6609987 – 6600880, ext 240 – 242. Aelezo

Nisy ny kaonty Twitter natsangana tamin'ny anarana Jeddah Help @JedHelp mba hikarakarana ezaka fanavotana.

Tonga mba hamonjy kosa ny sasany

Fanampin'izany, natsangan'ny i am pro ihany koa ny bilaogy momba ny Orana ao Jeddah mba hanomezana vaovao farany avy amin'ny tranonkala media sosialy sy ny haino aman-jery.

Mbola tezitra izahay!

Ankoatra izay, miha-betsaka hatrany ireo feo tezitra ao amin'ny bilaogy manerana ny fanjakana. Safar Bin Ayyad, monina ao Jeddah, saingy mijanona vetivety ao Riyadh mba hiala amin'ny fahavoazana nateraky ny orana, mamoaka lahatsoratra feno hatezerana:

لن أستمع لأي قرارات تصدر أو خطط أو تعديل أوضاع … كلام على ورق فقط .!
هناك رؤوس للفساد الإداري, وأبطال في السرقات ونهب المال العام ,لماذا مازالو أحرار ؟

Tsy hihaino ireo fanapahan-kevitra na drafitra na fepetra fanatsarana rehetra noraisina …an-taratasy fotsiny aho!
Misy ireo tompon'andraikitra amin'ny kolikoly amin'ny asam-panjakana sy ireo maherifo amin'ny halatra sy ny fandrobàna ny volam-bahoaka, nahoana izy ireo no mbola miriaria?

Nidera ireo tanora ao Jeddah ihany koa izy:

عندما أرى شبــاب جــدة يعملون وينقذون ويجلبون التبرعات لمركز الحارثي يثلج صدري ذالك .
سقط إعلامنا ,سقطت جهاتنا الحكومية , لكن أنقذنا الله بـ شبابنا وبالشبكات الإجتماعية .

Rehefa mahita tanora Jeddah miasa, mamonjy sy mitondra fanomezana ho an'ny foibe Alharthy aho dia misento.
Tsy ilaina ny media-ntsika sy ny sampan-draharaham-panjakantsika. Arovy izahay Allah, misaotra ny tanorantsika sy ny media sosialy

Saudi Dream namariparitra ny zava-nitranga ho toy ny nofiratsy. Hoy izy nanoratra:

نعم لن ينتهي هذا الكابوس الجاثم على صدورنا..

وكيف ينتهي ولم يدان فاسدٌ واحد من رؤوس الفساد رغم دعم الملك بنفسه (كائناً من كان)؟!

وكيف ينتهي وأغلب الناس لا يدقون أبواب المسؤولين مطالبين بابتكار حلٍّ سحري للمشكلةٍ التي لم يسبق لأحد في العالم أن يجابهها؟!!

Tsy hifarana ity nofiratsy ity.
ary ahoana no hifaranan'izany raha tsy voaheloka ireo lehiben'ny kolikoly? Na dia manohana izany aza ny Mpanjaka, dia toy ny tsy misy na inona na inona natao.
Ary ahoana no hiafaran'izany noho ny ankamaroan'ny olona tsy mandondom-baravarana ary mangataka vahaolana amin'ny manampahefana manoloana ny olana izay tsy mbola natrehana hatrizay? !!

Ankoatra izany, nisy ny taratasy antserasera naparitaka tao amin'ny Twitter, miangavy ireo voakasika mba vaovao momba azy ireosy ny halehiben'ny fahavoazana mba hitadiavana ny marina ao ambadiky ny zava-nitranga.

Teny farany, Khalid avy ao amin'ny Twitter manana zavatra holazaina:

@alfrsani
تبا لكل من جعل مشاهد الموت عادية بالنسبة لنا #JeddahRain

Voaozona ireo nahatonga ny fahafatesana  ho zava-mahazatra antsika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.