Nosakanan'i Bahrain ireo tranonkala manakiana ny governemanta

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

“Nanao fanentanana manohitra ireo tranonkala miaro ny zon'olombelona sy ara-politika, izay mitsikera ny politikan'ny governemanta ny manampahefana Bahrainita”, araka ny tatitra  nataon'ny Fiarahamonin'ny Tanora ao Bahrain ho an'ny Zon'Olombelona izay nanome ny lisitr'ireo vohikala voasakana, ireto avy izany : Foibe ho an'ny Zon'Olombelona ao Bahrain (BCHR) , Sehatra Fifanakalozan-kevitra Bahrain , Sehatra Fifanakalozan-kevitra National Edifice ,  gazety an-tserasera Al-Saheefa, Tranonkala Fifanakalozan-kevitra Maoderina Rezgar , ny vohikala maneso Bahrain Times, ny tranonkala liberaly Annaqed , ny Tambajotra Arabo ho an'ny Vaovaon'ny Zon'Olombelona (HRinfo), Sehatra Fifanakalozan-kevitra Al-Duraz, ary Bahrain Online .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.