Noho ny fifindramonina goavana, hetsi-panoherana nahafatesana olona sy fiovan'ny governemanta, taona niavaka ho an'i Amerika Latina sy ny fiarahamonina Espaniola manerantany ny taona 2018 [taona nahitsin'ny tonia mg].
Amin'ny maha-vavolombelona sy mpilaza hevitra eo noho eo ny toe-javatra tahaka ireny, nanampy antsika tamin'ny fitaterana izany ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices. Manomboka amin'ny hetsi-panoherana tao Nikaragoà hatramin'ny krizy Venezoeliana, noresahanay ireo tantaran'ny faharetana, ny firaisankina tsy ampoizina, ary ny endrika fanoherana tsy mahazatra.
Krizy sy ny fifindramonina faobe
Amin'izao fotoana izao, Venezoeliana an-tapitrisany no nandositra ny fireneny ary maro no mampiasa ny sehatra an-tserasera mba hanampiana ny hafa te-hanao toy izany koa.
Tantara antserasera momba ny fialan'ireo Venezoeliana ny fireneny
Raha vao nandeha tany amin'ny toerana tokony halehany, dia niatrika fanavakavahana avy amin'ny olona teo an-toerana — sy famerana hafa izay tsy voafetra amin'ny fiteny na kolontsaina ireo any am-pielezana tsy mitsaha-mitombo.
Mandritra izany, miharatsy ny krizy ao Venezoela. Ny tsy fahampian-tsakafo, miaraka amin'ny haavon'ny herisetra an-tanandehibe, dia misy fiantraikany amin'ny vehivavy. Ny fanitarana ny endrika fanarahamaso ataon'ny fanjakana dia mitovitovy amin'ny Big Brother an'i George Orwell – ary ny fifandraisan'ny fanjakana amin'ny orinasan-teknolojia goavana ao Shina dia maneho fa hitombo hatrany ny fanarahamaso.
Pourquoi les Vénézuéliens voient-ils leur pays dans « 1984 » de George Orwell?
Any avaratra, mankany Meksika ny “valalamanjohin'ny mpifindramonina” mandositra ny herisetra any Amerika Afovoany ary mamoha ny fihetseham-po mankahala mpifindra monina. Manaraka akaiky izay mitranga ao amin'ny sisintany miaraka amin'i Etazonia ny haino aman-jery, saingy tsy mba maka fotoana hanazavana ny antony mahatonga ny Amerikana Afovoany handositra ny toerana nonenany.
Fiovan'ny fahefana sy fifandanjam-pahefana tarihin'olom-pirenena
Voahozongozona ny demaokrasia any Goatemalà amin'ny fandàvan'ny Filoha Jimmy Morales hanavao ny fe-potoam-piasan'ny Vaomiera Iraisam-pirenena miady amin'ny tsimatimanota tohanan'ny Firenena Mikambana. Nanohana ny fiverenan'ilay kaomisera ny fitsarana tampony ao amin'ny firenena, mampisy fanantenana ho an'ireo izay manohana ny fikambanana ara-dalàna amin'ny ady atao amin'ny tsimatimanota izany. Tsy niverina nankany Goatemalà ny kaomisera Iván Velázquez, na izany aza, ary tamin'ny resadresaka vao haingana dia nanameloka ny ezaka fanampiny ataon'ny governemanta hanakatonana ny vaomiera izy. Anisan'izany ny fanesorana vao haingana ny tsy fahazoana manenjika ara-pitsarana ara-diplaomatika ireo mpiasa miisa 11 ao amin'ny Vaomiera.
Any Nikaragoà, nivadika ho hatezerana nasionaly manohitra ny kolikoly sy ny sivana ny fihetsiketseham-panoherana ny fanavaozana ny fiarovana ara-tsosialy. Haingana sy mahery setra ny famoretana. Olona maherin'ny 300 no maty hatramin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana tamin'ny volana Aprily. Niharan'ny herisetra mahery vaika ihany koa ny mpanao gazety. Manondro ny governemantan'i Daniel Ortega ho tompon'andraikitra voalohany ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona
In Nicaragua, demonstrations against social security reforms have transformed into a national outcry against corruption and censorship. The crackdown was swift and brutal. More than 300 people have been killed since the beginning of the protests in April. Journalists have also suffered violent attacks. Human rights organizations point to Daniel Ortega's government as the main perpetrator.
Nicaraguan protesters and journalists face violent attacks on the streets and online
Niady hevitra momba ny fanovana ny lalàmpanorenena izay hifehy ny aterineto ao amin'ny nosy ireo olom-pirenena Kiobàna.
Fanitsiana lalàmpanorenena hafa ny mety ho fankatoavana ara-dalàna ny fanambadian'ny pelaka, ka nitarika adihevitra mafana teo amin'ny fiarahamonina Kiobàna.
Mankalaza ny faha-50 taonan'ny tsingerintaonan'ny Hetsika Meksikana tamin'ny taona 1968 i Meksika. Volana maro taty aoriana, nifidy filoham-pirenena ankavia izy taorian'ny nitondran'ny governemanta ankavanana ampolony taona maro. Na izany aza dia tsy nangina izy rehefa nambaran'i AMLO ny fananganana polisy miaramila izay hiady amin'ny heloka bevava an-drenivohitra. Maro ny fahasarotana miandry ny filoham-pirenena vaovao, saingy antenaina fa hitondra fanampiana ireo hetsika tarihin'olom-pirenena.
Sarintany ifarimbonana lasa fitaovana hiadiana amin'ny heloka bevava ao Meksika
Tsy i Meksika ihany no nahitana fifidianana nanozongozona ny faritra. Nanaitra ireo fikambanana marobe mpandala ny zon'olombelona i Fabricio Alvarado, prezidàn'i Costa Rica, kristiana mpandala ny nentim-paharazana, indrindra fa ireo fikambanana izay miaro zon'ny LGBTQ. Na izany aza, ilay mpandala ny fandrosoana, Carlos Alvarado no mpandresy ary niaraka taminy, Epsy Campbell Barr, vehivavy filoha lefitra mainty hoditra voalohany tao Costa Rica.
Ny mahazavadehibe ny fananana mpikatroka Afro-feminista ao amin'ny governemantan'i Costa Rica
Firaisankina eo an-toerana sy manerantany
Nampiaka-peo noho ireo mpikatroka ara-tsosialy novoina ny Kolombiana. Tao anatin'ny tapa-taona monja, dia mpikatroka maherin'ny zato no namoy ny ainy. Noho ny fifanarahana momba ny fandriampahalemana sy ny fivoaran'ny ady an-trano ao amin'ny firenena, dia nisy ny ady hifehezana ny tany.
Farany, dia Arzantina no akaiky indrindra hatrizay amin'ny fankatoavana ny fanalan-jaza ho ara-dalàna. Niafara tamin'ny latsa-bato manohitra izany ny Senà, saingy goavana ny hetsika teny an-dalambe sy antserasera ary nampiseho firaisankina tsy hay hadinoina tao Amerika Latina sy ny any ivelany.
Le mouvement pour la légalisation de l'avortement en Argentine encouragé par une solidarité mondiale