Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

19 Jona 2017

Tantara tamin'ny 19 Jona 2017

Libanona: Firenena Latsaka An-katerena..Na Tsia

Ao anatin'ny korontana ara-politika i Libanona rehefa tsy nahavita nifidy ny mpandimby ny filoha Emile Lahoud ny parlemanta androanny.

Ny Fomba Niatrehan'i Sri Lanka ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Mihoatra ny 100 no maty ary olona mihoatra ny 400.000 no nafindra toerana lavitry ny loza voajanahary nateraky ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany. Io no tondradrano ratsy indrindra tao amin'ny firenena tato anatin'ny folo taona.

Tajikistan: Ny Kolikoly sy ny Angovo

Ny resabe ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tajik tamin'ity herinandro ity angamba dia vokatry ny tatitra fa mandray 300 dolara Amerikana monja isam-bolana ny filohan'ny Sampan-draharaham-panjakana Manaramaso ny Kolikoly sy ny Ara-bola vaovao, Sherhon Salimov.

HiperBarrio: Manova Ny Fomba Fijery Amin'ny Alalan'ny Famoronana

Ohatra tsara mikasika ny fitomboan'ny fahafahan'ireo vondrom-piarahamonina zara raha fatantra mba hilaza ny tantaran'izy ireo amin'izao tontolo izao avy amin'ny toerana lavitra sy mitoka-monina ny tetikasa HiperBarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.

Tajikistan: Tantara Momba Ny Dia Mahavariana

Misy tantara mahaliana momba ilay vehivavy Amerikàna nitety an'i Tajikistan ary nanoratra mombamomba ny dia. Tsy afa-po tamin'ny tolotra izy fa tia miresaka amin'ny olona kosa ary mahafantatra momba ny fiainan'izy ireo sy ny fomba amam-panaon'izy ireo. Tao anatin'ny roa andro, manana zavatra marobe hotantaraina izy ...

Tajikistan: Ny Zavakanto sy ny Kolontsaina

Tamin'ity herinandro ity, nizara ny tantaran'ilay mpanao asa tanana avy ao Istravshan (avaratr'i Tajikistan) izay manao asa momba ny hoditra hatramin'ny mbola kely sy efa ho 60 taona ny Firuz ao amin'ny bilaogy neweurasia.

Nikaragoa: Nahazo Loka Ny Vondrona Andron'ny Rindrambaiko Malalaka

Nanambara ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko, fankalazana ny Rindrambaiko Malalaka sy ny Loharanom-baovao Malalaka, fa nahazo ny iray tamin'ireo toerana telo voalohany manerantany ny vondrona SFD ho an'i Nikaragoà noho ny ezak'izy ireo nitondra ny Rindrambaiko Malalaka teo amin'ny vahoaka.

Firenena Latsaka An-katerena Ao Pakistan

Vao maraina be androany, nanambara ny Filoha Musharaff ao Pakistan fa latsaka an-katerena ny firenena ka niezaka ahafantatra izay fampandrosoana ara-politika farany ao Pakistan ireo bilaogera.