Tajikistan: Ny Zavakanto sy ny Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Tamin'ity herinandro ity, nizara ny tantaran'ilay mpanao asa tanana avy ao Istravshan (avaratr'i Tajikistan) izay manao asa momba ny hoditra hatramin'ny mbola kely sy efa ho 60 taona ny Firuz ao amin'ny bilaogy neweurasia. Nolovainy tamin'ny rainy sy ny raibe ity fahaiza-manao ity. Nolovain'ny zanaka lahy tamin'ny ray nandritra ny taonjato maro ity fomba amam-panao ity.

The handicraftsmen say that the leather working is a very difficult and painstaking work. Process of a fell of one cow requires the effort of three men in ten days.

Nilaza ity mpanao asa tanana ity fa ny asa momba ny hoditra dia tena sarotra sy asa mafy. Ny dingana famonoana omby iray dia mitaky ezaka avy amina telo lahy mandritra ny folo andro.

Mandritra izany fotoana izany, ny fiainana ara-kolontsaina ao an-tanàna Tajik dia toa tsy dia tia famoronana tsy tahaka ny lova ara-javakanto nentim-paharazana. Manome hevitra vitsivitsy momba ny sehatry ny mozika Tajik ilay mpanoratra vaovao ao amin'ny bilaogy Tajik-Anglisy neweurasia. Mihevitra izy fa miavaka tanteraka amin'ireo hetsika mozika goavana mitranga eto amin'izao tontolo izao ny olona ao Tajikistan ka vonona foana izy ireo hanatrika rindran-kira ao an-toerana na dia leo an'izy ireo aza.

Whatever place you go you see the same faces on the stage as well in the auditorium. And it seems that faces that I see in the auditorium come not because they are extremely interested in the concert or in the group, they come because they are starving for cultural events.

Na aiza na aiza toerana alehanao, mahita endrika mitovy eny an-tsehatra sy any anaty efitrano ianao. Ary tsy hoe liana tanteraka amin'ny fampisehoana na ny tarika ny fahatongavan'izany endrika hitako tao amin'ny efitrano izany, fa toa tonga izy ireo satria mangetaheta hetsika ara-kolotsaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.