Firenena Latsaka An-katerena Ao Pakistan

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Vao maraina be androany, nanambara ny Filoha Musharaff ao Pakistan fa latsaka an-katerena ny firenena ka niezaka ahafantatra izay fivoarana ara-politika farany ao Pakistan ireo bilaogera. Voalaza fa efa niverina ao Pakistan i Benazir Bhutto, izay nankany Dubai. Andrasana hiresaka amin'ny firenena tsy ho ela ny filoha Musharraf. (Tamin'ny 11:44 alina ny Asabotsy no fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.)

Manan Ahmed ao amin'ny Fanehoan-kevitra Ampahafantarina, Raharaha Manerantany nanoratra hoe:

The move is hardly surprising considering the chaos engulfing Pakistan at the moment – from political (Supreme Court deliberations on the fate of the “election”) to military (the tribal/militant conflict has spread to Swat and Peshawar) to ideological (Baluchistan) to international (Rice has decided she wants democracy).

According to the Provisional Constitutional Order (PCO) declaring emergency, the steps were taken because of the recent terrorist attacks, the release of terror-suspects by the judiciary, the lack of oversight of the judiciary and the low morale of police and army in the nation. See the text here [pdf].

Tsy mahagaga intsony ny fihetsika noho ny korontana manototra an'i Pakistan ankehitriny – manomboka amin'ny politika (Fandinihan'ny Fitsarana Tampony momba ny “fifidianana”) hatramin'ny miaramila (niely tao Swat sy Peshawar ny ady ara-poko/ milisy) ary koa ny foto-kevitra (Baluchistan) hatramin'ny iraisam-pirenena (Nanapa-kevitra i Rice fa mila demaokrasia izy).

Araka ny didy lalàmpanorenana vonjimaika (PCO) milaza ny hamehana, nisy ireo fepetra noraisina noho ireo fanafihan'ny mpampihorohoro vao haingana, ny famotsoran'ny fitsarana ireo ahiahiana ho mpampihorohoro, ny tsy fisian'ny fanarahamaso eo amin'ny fitsarana sy ny fitondrantena ambany ataon'ny polisy sy ny tafika ao amin'ny firenena. Jereo ato ny lahatsoratra [pdf].

Misy horonantsary momba ny toe-draharaha ankehitriny ao Pakistan ny Free Pakistan blogspot ary ity ny rohy momba ny fanafihan'ny tafika ny Fitsarana Tampony ao Pakistan.

Manana kaonty mitantara ny fomba sy ny fotoana nanambarana ny firenena latsaka an-katerena tao Pakistan ny Metroblogging Karachi.

Rehefa nesorina tamin'ny fandaharana manerana ny firenena ny tatitra avy hatrany nataon'ny binary-zero tao amin'ny fahitalavitra tao anatin'ny tombatombana momba ny fitsipika hamehana ao amin'ny firenena, nohamafisina fa marina ny tsaho.

Na ny fampahalalam-baovaom-panjakana, tahaka ny Tambajotra Fahitalavitra Pakistan (PTV) aza nanamafy ny vaovao ary nanambara fa hiresaka amin'ny firenena androany alina ny Jeneraly Musharraf.

Ny Haino Aman-jery sy ny fitsarana no lasibatra voalohany amin'ny fitsipika hamehana satria ny ankamaroan'ny fantsona lehibe tsy miankina rehetra dia mbola tsy mandeha ary araka ny filazan'ny fantsona fahitalavitra iray, dia niditra tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Tampony ny tafika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.