Nikaragoa: Nahazo Loka Ny Vondrona Andron'ny Rindrambaiko Malalaka

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Nanambara ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko, fankalazana ny Rindrambaiko Malalaka sy ny Loharanom-baovao Malalaka, fa nahazo ny iray tamin'ireo toerana telo voalohany manerantany ny vondrona SFD ho an'i Nikaragoà noho ny ezaka nataon'izy ireo nitondra ny Rindrambaiko Malalaka teo amin'ny vahoaka. Notontosaina tamin'ny 13 Septambra tao Managua ny hetsik'izy ireo, ary nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpikarakara: Grupo Ubuntu Nicaragua [es]Suse-NUI Nicaragua [es], Grupo Fedora-ni [es], sy ny Debian GNU/Linux Nicaragua [es]. Ity ny mailaka nanambaran’ ny iray tamin'ireo mpikarakara ny vaovao mahafaly:

We are very pleased to tell you that the SFD NIcaragua 2007 Team competition entry for Best Event has been chosen as one of three winners! Congratulations!We were very impressed with your event. You had excellent community participation and non-geek inclusion, activities, media coverage (we loved the interviews!), collateral, technology demonstrations and of course information about Software Freedom and FOSS. Your teams hard work and dedication is inspiring and the excellent media coverage you achieved is tribute to those efforts.Well done! You do your country and the FOSS community proud, and are a true example of what Software Freedom Day is all about!Please pass on our congratulations and praise to your team, and your community.Cheers,Pia

Tena faly izahay milaza aminareo fa ny Ekipan'ny SFD Nikaragoà 2007 nifaninana tamin'ny Hetsika Tsara Indrindra (Best Event) no voafidy ho iray amin'ireo telo mpandresy! Arahabaina! Variana tamin'ny hetsika nataonareo izahay. Nanana fandraisana anjaran'ny fiarahamonina mahafinaritra ianareo sy fampidirana ny tsy mpankafy aterineto, hetsika, fitantarana amin'ny fampahalalam-baovao (nankafizinay ny antsafa!), fiarahana, fampisehoana teknolojia ary mazava ho azy vaovao momba ny Fahalalahahan'ny Rindrambaiko sy FOSS. Manome aingam-panahy ny asa mafy nataon'ny ekipanareo sy ny fahavononan'izy ireo, ary ny fitateram-baovao mahafinaritra vitanareo dia ny fanomezam-boninahitra ireo ezaka ireo.Tena tsara! Mahatonga ny firenenareo sy ny fiarahamoninareo FOSS hirehareha izany, ary ohatra tena izy mikasika ny tena dikan'ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko! Ampahafantaro ny ekipanareo, ny fiarahamoninareo azafady ny fiarahabana sy fiderana avy aty aminay. Mandra-pihaona, Pia

Jereo ny pejin'ny vondrona SDF izay milaza amin'ny antsipirahany ny ezaka rehetra vita mba hanampiana ny olona hiditra amin'ny rindrambaiko malalaka. Ahitana ny fikarakarana ny fihaonam-be ary indrindra indrindra, ny fehin-kevitra taorian'ny fihaonambe ny pejy:

7. Conclusions

  • The SFD Nicaragua 2007 event was a huge success in terms of the attention gained from the local media and the non-geek public. More than two weeks after the event people continued to call and e-mail the local GNU/Linux groups seeking for information about free software.
  • The LTSP and Edulinux projects got some attention from a couple of local schools. As of today, we are having talks with the representatives from these institutions in order to figure out how we best can help them with this initiative.
  • At the international level, the Central American communities were brought closer together and work has already begun on some interesting joint projects(see 4.1.4).
  • Last, but not least, the involvement of the younger members of the community in the SFD event (see 4.1.4) is seen as a huge step forward for the future of the FOSS movement in our country. Future plans, in particular within the Ubuntu community, includes the establishment of a local computer club for kids and young people.

7. Famintinana

  • Fahombiazana lehibe ny hetsika SFD Nicaragoa 2007 noho izy nahasarika haino aman-jery ao an-toerana sy ny vahoaka tsy mpankafy aterineto. Tapa-bolana mahery taorian'ny hetsika, nanohy niantso sy nandefa mailaka tany amin'ny vondrona GNU/Linux ao an-toerana ny olona mba hahazo vaovao momba ny rindrambaiko malalaka.
  • Nahasarika ireo sekoly roa tao an-toerana ny tetikasa LTSP sy Edulinux. Amin'izao fotoana izao, miresaka amin'ireo solontenan'ireo sekoly ireo izahay mba hijery izay fomba tsara hanampiana azy ireo amin'ity tetikasa ity.
  • Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, nitambatra ireo fiarahamonina Amerikana Afovoany ary efa natomboka sahady ny asa momba ireo tetikasa sasany mahaliana iarahana (jereo ny 4.1.4).
  • Farany, fa tsy ny kely indrindra, dia hita ho dingana mankany amin'ny hoavin'ny hetsika FOSS ao amin'ny firenentsika ny fandraisana anjaran'ireo tanora avy ao amin'ny fiarahamonin'ny hetsika SFD (jereo ny 4.1.4). Ahitana fametrahana klioba solosaina ho an'ny ankizy sy tanora ao an-toerana ireo tetikasa hoavy, indrindra ao anatin'ny fiarahamonina Ubuntu.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.