Libanona: Firenena Latsaka An-katerena..Na Tsia

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Ao anatin'ny korontana ara-politika i Libanona rehefa tsy nahavita nifidy ny mpandimby ny filoha Emile Lahoud ny parlemanta androany.

Ora maro talohan'ny fiafaran'ny fe-potoam-piasany, nandidy ny tafika i Lahoud mba hisahana ny fiarovana, mamela ireo antoko mpifanandrina ho tompon'andraikitra amin'ny fanendrena filoha ary mitarika antso iraisam-pirenena ho amin'ny fitoniana.

Naneho hevitra avy hatrany ireo bilaogera ao Libanona, M Bashir namaritra ny toe-javatra tahaka izao:

…so basically the situation can be summarized as follows: effectively at midnight tonight, Lebanon is without a president; the government (that is, granted its legitimacy is not contested) is resigned, the parliament’s session for electing a new president is postponed till the 30th of November, and the army is in charge of the security of the land.

…ka amin'ny ankapobeny, azo fintinina toy izao ny toe-draharaha: anio amin'ny misasakalina, tsy manana filoha i Libanona, nametra-pialàna ny governemanta (izany hoe, tsy notoherina ny fanomezana ny maha ara-drariny azy), nahemotra amin'ny 30 Novambra ny fotoam-pivorian'ny parlemanta hifidy filoha vaovao, ary ny tafika no miandraikitra ny fiarovana ny tany.

Nanazava bebe kokoa ny zava-misy eny ifotony i Mustapha ary nanoratra hoe:

An important clarification for outside observers who are overstating Mr. Lahhoud’s statement.
The outgoing Lebanese President did NOT declare a state of Emergency or Martial law. The statement that caused the confusion was this: “the threats that require a state of emergency prevail over Lebanon”.
What Mr. Lahhoud effectively did was assign the Army to take care of the security on the ground. A redundant procedure given that the Seniora government had already done that.
If anything, the statement by the soon-to-be ex-President reveals his incapacity to do anything more serious. All comparisons with Pakistan, Jordan, or Egypt, where the Army heavy-handedly represses the people, should immediately be removed from your heads.

Fanazavana lehibe ho an'ireo mpanara-baovao any ivelany izay manome lanja be loatra ny fanambaran'i Lahhoud.
TSY nanambara firenena latsaka an-katerena na lalàna miaramila ny filoha Libaney ankehitriny. Tahaka izao ny fanambarana nahatonga ny fisavoritahana: “Manalokaloka an'i Libanona ny rahona mitaky ny fahalatsahan'ny firenena an-katerena”.
Ny tena nataon'i M. Lahhoud dia manendry ny tafika mba hisahana ny fiarovana ny tany. Dingana miverimberina noho ny efa nanaovan'ny governemanta Seniora izany.
Na izany aza, maneho ny tsy fahaizany manao zavatra matotra kokoa ny fanambaran'ny ho filoha taloha. Tokony esorina ao an-dohanao avy hatrany ny fampitahana rehetra amin'i Pakistan, Jordania na Ejypta, izay anaovan'ny tafika famoretana mafy amin'ny vahoaka.

Liliane, kosa, manontany raha manaraka ny lalàmpanorenana na tsia ny zava-mitranga ao amin'ny fireneny. Nilaza ihany koa izy fa ity andro ity no “misamboaravoara indrindra” mbola tsy niainan'i Libanona hatramin'izay noho ireto antony manaraka ireto:

1- 109 Parliament members including opposition arrive to the parliament at noon.
2- Session postponed till November 30th in order to elect a president agreed upon from all sides
3- Post the canceled session, deputies talk back to each other through the media
4- The Cabinet is in session since 6:30pm discussing the latest updates
5- The president (till 11:59pm on November 23, 2007) Emile Lahoud declares a state of emergency starting 24 November 2007
6- The Cabinet denies it, based on the constitution, explaining that only the cabinet after passing it to the parliament as well and the majority's signature can declare such state. (That was at 8:30 pm today)

1- Mpikambana 109 ao amin'ny Parlemanta, anisan'izany ny mpanohitra, no tonga tao amin'ny parlemanta tamin'ny mitataovovonana.
2- Nahemotra amin'ny 30 Novambra ny fotoam-pivoriana mba hifidianana filoha eken'ny ankolafy rehetra.
3- [Taorian'ny] fanemorana ny fotoam-pivoriana, nifampiresaka tamin'ny alalan'ny haino aman-jery ny depiote
4- Tao anatin'ny fivoriana ny kabinetra [filankevitry ny minisitra] nanomboka tamin'ny 6:30 hariva, miresaka momba ny vaovao farany indrindra
5- Nanambara fahalatsahan'ny ny firenena an-katerena manomboka amin'ny 24 Novambra 2007 ny filoha Emile Lahoud (hatramin'ny 11:59 hariva tamin'ny 23 Novambra 2007)
6- Nolavin'ny Kabinetra izany noho ny lalàmpanorenana, nohazavainy fa anjaran'ny kabinetra izany rehefa lany tao amin'ny parlemanta sy ny sonian'ny maro an'isa ahafahana manambara izany fahalatsahana izany (Tamin'ny 8:30 hariva androany izany)

Blacksmith Jade koa nanazava ny toe-javatra ato.

Araho hatrany ireo vaovao farany avy amin'ny bilaogera ao Libanona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.