HiperBarrio: Manova Ny Fomba Fijery Amin'ny Alalan'ny Famoronana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity) 

Ohatra tsara mikasika ny fitomboan'ny fahafahan'ireo vondrom-piarahamonina zara raha fatantra mba hilaza ny tantaran'izy ireo amin'izao tontolo izao avy amin'ny toerana lavitra sy mitoka-monina ny tetikasa HiperBarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices. Mifototra amin ‘ny fampiasana fitaovana fampahalalam-baovao tahaka ny bilaogy, bilaogin-dahatsary, sy bilaogin-tsary  ny fahombiazan'izy ireo mba hahafahan'ny vondrom-piarahamonina maneho ny hevitr'izy ireo sy ny fahaizany mamorona:

Mamintina ny asan'ny HiperBarrio hatramin'ny Oktobra i Izpapalotl. Manasongadina ny sasany amin'ireo zava-bita tamin'ny tetikasa hatramin'izao.

Nitatitra i Juliana Rincónfa fa ny atrikasa momba ny sary tamin'ny 10 Novambra dia tsy mitovy tamin'ireo teo aloha satria nivoaka an-kalamanjana ireo mpandray anjara ary nitsidika ny lalana fidirana ao Carabobo ao Medellin mba haka sary. Satria efa nahatratra ny fetra amin'ny kaonty Flickr HiperBarrio sahady izy ireo, dia nampidirina tao amin'ny raki-tsary Picasa ny sarin'izy ireo ambiny.

Galo, mpandray anjara iray, niresaka momba ny fihaonany voalohany tamin'ny fanitsiana lahatsary. Nampiasa ny sary sy lahatsary nalaina nandritra ny Herinandron'ny Kolontsaina tao amin'ny Sekoly Fe y Alegria ao Santo Domingo izy ireo. Ampidirina ao amin'ny Youtube ny lahatsary ary ao amin'ny kaonty flickr ny Medea ny sary.

Ny sary eto ambony dia sarin'ireo mpandray anjara nanao fitafiana fitondra mandihy izay vita tamin'ny fitaovana nohavaozina

IMampiseho mpandray anjara izay nahazo laharana faharoa mandihy miaraka amin'ny namany ny lahatsary. Mandihy amin'ny hira mafana natambatra izy, anisan'izany ny Porro, dihim-paritra malaza any Medellin.

Nisy ihany koa ireo lahatsoratra vaovao sasany navoaka tao amin'ny bilaogin'ny vondrona Convergente.

Voalohany, nivoady hanova ny fahitana ny tanàna manodidina La Loma ao Medellin ireo mpandray anjara:

We want to share truths from the Public Library in St. Javier hill with the rest of the world, via the Internet.

Te-hizara ny marina avy ao amin'ny Tranom-bokim-panjakana ao amin'ny havoana St. Javier amin'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny aterineto izahay.

Ny lahatsoratra farany dia milaza ny tantaran'i Manuael Salvador,78 taona,  mponina ao La Loma izay fantatra amin'ny anarana hoe “Suso Mugre”. Miresaka momba ny tolon'i Suso amin'ny maha mpisava fako monina amina trano efa ratsy be ilay bilaogera. Toa manaiky ny toe-piainany tsy miandry fanampiana ny olona rehetra. Nilaza ireo mpandray anjara ao amin'ny Convergentes fa indraindray izahay  tsy mahavita manamarika fa ny mpiara-monina aminay na ny olona tahaka an'i Suso dia lasa ampahany hafa ao anatin'ny tontolo.

Namoaka ny gazety voalohany volana Oktobra ny HiperBarrio. Ny tanjon'izy ireo manaraka dia ny fandaminana atrikasa fanoratana sy famoahana ny gazety faha-2.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.