Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tajikistan: Ny Kolikoly sy ny Angovo

Ny resabe ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tajik tamin'ity herinandro ity angamba dia vokatry ny tatitra fa mandray 300 dolara Amerikana monja isam-bolana ny filohan'ny Sampan-draharaham-panjakana Manaramaso ny Kolikoly sy ny Ara-bola vaovao, Sherhon Salimov, ary ny karaman'ireo olon-kafa izay miasa ao amin'ity sampan-draharaha ity dia mbola ambany noho izany. Toa tsy mitombina izany, satria iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny fiakaran'ny tahan'ny kolikoly ny karama ambany raisin'ireo manampahefam-panjakana, izay matetika mitarika ny tsy mangarahara amin'ny fanapahan-kevitry ny fanjakana.

Amin'izany, indraindray mety mitarika voka-dratsy lehibe eo amin'ny sehatra isan-karazany ny tsy fahampian'ny fahaizan'ny fanjakana, anisan'izany ny tontolo iainana. Nitatitra momba ny fitsidihan'ny filohan'ny RAO Rafitra Angovo Mitambatra ao Rosia, Anatoly Jubais izay nilaza fa hananganna toby mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny rano ao amin'ny tohodrano voajanahary ao amin'ny farihy Sarez ny Economy of Tajikistan. Miahiahy ny mpanoratra ny lahatsoratra fa mety hitarika loza ao amin'ny faritra manontolo ity tetikasa ity.

I heard about the ideas of building a hydroelectric power station in Sarez lake, but none of them were reasonable. This time the same thing happened. The Tajik Academy of Sciences represented by its head Ilolov said the proposal will be taken for consideration but no more than that.

Nandre ny hevitra fananganana toby mpamokatra herinaratra miodina amin'ny rano ao amin'ny farihy Sarez aho, saingy tsy misy mitombina ny iray amin'izy ireo. Tamin'ity fotoana ity, nitovy ny zava-nitranga. Nilaza ny filohan'ny Akademia Tajik momba ny Siansa, Ilolov fa hojerena ny tolo-kevitra saingy izay ihany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.