Septambra, 2011

Tantara tamin'ny Septambra, 2011

Bolivia: Nosakan'ny Polisy Ny Diaben'ny Zanatany manohitra ny Lalambe migodàna

  26 Septambra 2011

Mitohy ny diabem-panoherana ataon'ny Zanatany mba hampitsaharana ny fanorenana ny lalambe migodàna mamakivaky ny TIPNIS, ilay Valam-pirenena Isiboro Sécure Faritanin'ny Zanatany, araka ny efa notaterin'ny Global Voices. Ao amin'ny bolongana Bolivia Diary, no anazavazavan'i Dario Kenner ny halalin'ny fifandirana sy anoratany ny toe-javamisy tsy maintsy atrehin'ny mpanao Diabe: Na dia eo...

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana

  26 Septambra 2011

Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter, Facebook sy ny tranokala mpanaramaso ny fifidianana Bantu Watch tamin'ny fanehoana izay tsy fetezana rehetra nanamarika ny fiandohan'ny fandatsahambato . Tao...

Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka

Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina)...

Zambia: Mankalaza ny Fandresen'i Michael Sata ny Mpisiokatserasera

  25 Septambra 2011

Michael Sata, mpitarika ny antoko mpanohitra Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front), no Filohan'ny Repoblika vaovao ao Zambia. Nanao fianianana teo anoloany ny Lehiben'ny Fitsarana Ernest Sakala ary noraisiny avy tamin'ny filoha teo aloha Rupiah Banda ho azy koa ny saina fitondran'ny filoha amin'ny fotoam-pankalazana. Niara-nankalaza tamin'ireo Zambiana anarivony nidina an-dalambe hatry ny...

Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery

  25 Septambra 2011

Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.