Syria: Nosomparan'ny Anonymous ny vohikalam-panjakana

Voasovoka ny vohikalam-panjakana any amin'ny tanàndehibe Syriana rehetra (misy “fitaratry” ny vohikala ny rohy) noho ny asam-panafihana ataon'ny mpisovoka Anonymous amin'i Syria. Mifampizara pikantsarin'efijery amin'ny alalan'ny tenifototra #OpSyria ny mpisera

Nosoloin'ny Anonymous sarintanin'i Syria ifandrimbonana, mampiseho ny anarana, taona sy daty nahafatesan'ireo niharam-boinan'ny fitondrana Syriana hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana  tamin'ny volana Marsa ny votoaty amin'ireny vohikalam-panjakana ireny.

Mitatitra ny mpikatroky ny Fahalalaham-pitenenanana Jillian York:

@jilliancyork: Anonymous hacks Syrian city websites, offers safety tips for Syrian Internet users: http://homs-city.gov.sy/,

Nosovohan'ny Anonymous ny vohikalan'ny tanàna Syriana, manome torohevitra hiarovan'ny mpisera aterineto tena http://homs-city.gov.sy/

Nanamarika i Nader izay nilazalaza ny tenany ho Arabo nitombo nihalehibe tany Beirota:

@DarthNader: Every major city's website in Syria is now down due to being hacked by Anonymous

Tsy misy mandeha daholo ny vohikalan'ny tanàna lehibe ao Syria fa nosovohan'ny Anonymous

AProudSyrian nanampy fanazavana:

@AProudSyrian: 2316 Reasons why Assad is finished, #OpSyria leaves Government websites with a message http://bit.ly/nZxLVc #anonymous #opsyria #Syria

Antony 2316 milaza fa vita i Assad, misy hafatra apetraky ny #OpSyria amin'ny vohikalan'ny fitondrana http://bit.ly/nZxLVc #anonymous #opsyria #Syria
A screen grab of the Tartous city defaced website

Pikan-tsarin ny vohikalan ny tanànan i Tartous niova tava

Ny isa 2316 dia ahatsiarovana ny isan'ny Syriana nanao fihetsiketsehana nanohitra an'i Assad matin'ny fitondrana Syriana hatramin'ny volana Marsa. Mipoitra eo amin'ny sarintany ny anarana, taona ary ny daty nahafatesan'ireo maty araka ny itetezanao ny sarintanin'i Syria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.