Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna.
Iman AlQhatani dia namoaka ilay vaovao narahana fanambarana nataon'i mpanjaka Saodiana Abdulla bin Abdulaziz.
@ImaQh : Ny vehivavy dia omena alàlana ho mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Shura amin'ny taona ho avy #kingshora #saudi
Manazava misimisy kokoa izy:
@ImaQh: Didin'ny mpanjaka #ShoraWomen midika fa ny vehivavy dia tsy maintsy miandry 2 taona vao afaka ny ho ao amin'ny filankevitra & 4 taona vao handray anjara amin'ny fifidianana monisipaly
Ny fivoarana, izay hanomboka hihatra amin'io taona ho avy io, dia noraisin'ireo mpampiasa aterineto an-kafaliana.

Waheeb Aldakel dia mizara ity sarinà vehivavy Saodiana mifampiarahaba ity taorian'ny famporisihana azy ireo handray anjara amin'ny Filankevitry ny Shura any amin'ny fireneny.
Yazeed Al Mogren namaly hoe :
Mivoady i Saudi Mai Al Shareef hoe:
Ilay fanapahan-kevitra koa dia nisedra fanakianana momba ny politikan'i Arabia Saodita manoloana ny vehivavy, ary ireo lehilahy momba izay olana izay.
Saudi Ahmed Al Omran dia nitaraina hoe :
@ahmed : ny Filankevitry ny Shura dia tsy mbola voafidy, ary ny Filankevitra monisipaly dia tsy manan-kery, kanefa ny fandraisan'anjaran'ireo vehivavy dia tena fandrosoana lehibe. #Saudi #KingShora.
Lou-kay dia nampiasa sarinteny :
@lou_kay : Tena tsy vitako ny hanasoaso zo nalàna, ary avy eo naverina nofonosina indray natao fanomezana. #KingShora #SaudiArabia
Ary ilay Palestiniana Yousef Munayyer manampy hoe :
@YousefMunayyer : Nanao izany tamin'ny fiandohan'ny taonjato lasa teo ihany ve i Arabia Saodita nony farany?
Tena fandresena lehibe tokoa ho an'ny vehivavy Saodiana izany kanefa mbola misy ny fanontaniana manitikitika ny sain'ny mponina:
@Zeinobia : Miarahaba ny vehivavy Saodiana tamin'ny nahazoana ny zo hifidy saingy iza anefa no hitarika azy ireo eo anoloan'ny komitim-pifidianana?