Alzeria : Lalao Baolina Kitra, Toerana Vaovao Hanehoana Tsy Fitovian-kevitra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Alzeria 2011.

Nahita fomba vaovao hanaovana izay hihainoana ny feon'izy ireo ny Alzeriana. Ireo mpijery baolina kitra dia nanararaotra ny fotoana mba hilazana ny fahitan'izy ireo ny politika, ao amin'ny firenena izay niaro fatratra ny tenany tamin'ilay revolisiona antsoina hoe Lohataona Arabo.

Tao amin'ny Twitter, i Baki 7our, Alzeriana mpampiasa Twitter,  no nisintona ny sainay tamin'ilay lamaody vaovao.

@7our : Tsy fahita ao #Alzeria : Ireo mpankafy baolina kitra nihira hira politika tao amin'ny kianja mitafo. ‘Ny fanjakana no nametraka ny baomba & avy eo manendrikendrika ny Al Qaida’ http://ow.ly/6DIjxAl Qaida’ http://ow.ly/6DIjx

Ilay lahatsary , nakarin'i egypteking1, dia mampiseho vahoaka maresaka mihira manaraka ny feon'amponga :

Ny tonon'ilay hira, amin'ny teny Alzeriana na Darijaa, dia manao hoe :

“[Ny filoha Alzeriana Abdulaziz) Bouteflika dia mitady fomba filaza hafa, ary i Zerhouni (Minisitry ny Atitany teo aloha) dia manao izay azony atao mba hitrangan'izany, ao anatin'izany ny fametrahana baomba sy fiampangàna ny Al Qaeda amin'ny toeran-dry zareo.”

7our mizara rohy hafa izay ahitana ireo mpijery nisintona ny sain'ny olona amin'ny  adin-tsaranga ao Alzeria, izay misy eo amin'ny manana sy ny mahantra.

@7our : #Alzeria : Hira politika hafa tao amin'ilay lalao baolina kitra, ny lohahevitra adin-tsaranga misy eo amin'ireo niangaran'ny vintana sy ny manana. http://ow.ly/6DJtq

Indro ilay lahatsary , nalefan'i Saimirsaadi, tao amin'ny  YouTube :

http://www.youtube.com/watch?v=fI2u-VFgJHc

Araka ny nambaran'i Malika Slimani, na dia izany aza, io tranganà fanehoan-kevitra ara-politika io dia tsy tena hoe vaovao be intsony

@TanyaSlimani : @JustAmira tadidiko tamin'ny volana Febroary/Martsa ny nihiran'izy ireo “libya” nandritra ilay hiram-pirenena

Na dia teo aza ny hetsi-panoherana nanomboka ny volana Febroary, hatreto i Alzeria dia niaro fatratra ny tenany tamin'ilay revolisiona antsoina hoe Lohataona Arabo -toy ny rivotry ny revolisiona mitsoaka. Ho toerana hanehoana ny lonilony politika, sosialy ary toekarena mampalahelo ve izany ny baolina kitra ?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Alzeria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.